faritra maro ny rivodoza FYTIA ny alin'ny 31 janoary hifoha omaly alahady 01 febroary. Efa nihalohavana orambe sy fahavoazana maro, ka isan'ny voa mafy indrindra ny distrikan'i Soalala, Besalampy, Mahajanga I sy II. Namely distrika 15 tao amin’ny faritra Boeny, Analamanga, Melaky ary Sofia. Trano fonenana, fotodrafitrasa ary sekoly maro no simba, ka nahatonga olona an’arivony ho tra-boina. Raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC omaly tamin'ny 12 Ora atoandro, 22 067 traboina avy amin’ny tokantrano 4 981, olona 8 441 nafindra toerana, 4 646 trano dobo rano, 104 trano simba, 813 trano rava, 10 efitrano fianarana niongotra tafo amin’ny ampahany, 11 efitrano fianarana simba amin’ny ampahany, 03 efitrano fianarana simba tanteraka. Olona iray maty nihotsahan'ny trano teny Ambohimandry Antananarivo, olona iray no mbola tsy hita popoka tao Ambalakida, Mahajanga II.
NANEHO FIOMBONANA NY FANJAKANA
Naneho fiombonana amin’ny vahoaka tra-boina ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, RANDRIANIRINA Michaël, ka niazo an’i Mahajanga omaly ! Nidina ifotony teny amin'ny BNGRC nanaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha sy ny paikady fiatrehana ny voina, ary nitondra toromarika koa ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo ny sabotsy teo. Ny fanampiana avy amin’ny BNGRC dia efa natomboka, nampiasaina hatramin'ny sambo mitondra entana fanampiana. Ho fanamaivanana ny fahoriana, ny BNGRC dia efa nizara vatsy vonjimaika ho an’ireo tokantrano tra-boina: vary 12,5 kg , voamaina 2,5 kg , menaka 1 litatra isan-tokantrano . Ankoatra izany, tranolay sy fitaovana fiarovana no efa naparitaka, ary vedette iray no nalefa nitondra fanampiana manokana ho an’ny mponina any Soalala. Na dia mbola sarotra aza ny fifandraisana amin’ny distrikan’i Soalala sy Mitsinjo, dia naneho ny BNGRC sy ny fitondrana fa hahatratra ireo faritra ireo ny fanampiana amin’ny andro manaraka. Ny fandalovan’ny rivodoza FYTIA dia nampiseho indray ny fahalemena sy ny fahaefoan’ny vahoaka Malagasy manoloana ny voina. Raha ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, “miombom-po amin’ny tra-boina ny fitondrana ary tsy hitsahatra mitondra fanampiana sy fankaherezana.”
FOANA NY FILAZANA MOMBA NY RIVIDOZA
Natsahatra ny filazana fanairana momba ny rivodoza taorian’ny fivoahan’i Fytia any an-dranomasina, izay efa nihena ho lasa tafio-drivotra tropikaly. Araka ny tatitra navoaka omaly tamin’ny 7 ora maraina, dia efa nivoaka ny tany izy tamin’ny 6 ora marainan'io omaly io, tany atsimon’i Brickaville. Mbola miteraka rivotra antonony 50 km/ora eo izy, miaraka amin’ny tafiotra mahatratra 65 km/ora, ary mihetsika mankany Atsimo-Atsinanana amin’ny hafainganam-pandeha 23 km/ora, hoy ny tatitra omaly. Mbola misy orana sisa tavela any amin’ny faritra Atsinanana sy Vatovavy, raha mbola mitohy kosa ny rivotra manerana ny morontsiraka. Mitohy ny fampitandremana ho an’ireo mpiantsambo sy mpampiasa ranomasina, indrindra eo anelanelan’ Analalava sy Maintirano, ary eo anelanelan’i Fenoarivo Atsinanana sy Mananjary.
Toky R