airtel

Actualités

29-juil-2025

SAHATAVY VAVANTENINA

Ny havany ihany no nanolana ilay zaza 7 taona

Zazavavy kely vao 7 taona monja no fantatra fa naolana lehilahy lehibe iray

29-juil-2025

efa 45 taona tany amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sahatavy, distrikan’i Vavantenina. Nanomboka ny 25 Jolay lasa teo no tsikariky ny Ray aman-dReniny hoy ny vaovao fa niovabe ny fandehan’ilay zaza. Noezahin’ilay zaza nafenina mafy anefa ny fanolanana nahazo azy noho ny fandrahonana nataon’ilay mpanolana. Rehefa nandeha teny anefa ny fotoana dia nivoaka ihany ny marina. Notambatambazana sy nofotorana ilay zaza ka nanaiky ny nitantara ihany. Fantatra fa tamin’ny datin’ny 16 Jolay lasa teo no nitrangan’ny fanolanana. Tsy olon-kafa ihany koa ilay nahavanon-doza fa fianakavian’ireo Ray aman-dRenin’ilay zaza akaiky ihany. Efa voasambotra moa ity farany ary niaiky ny heloka vitany raha efa nentina notsaboina ao amin’ny hopitalibe ao Vavantenina kosa ilay zaza.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap