teo amin’ny sakana Vinaninkarena ny Talata 04 Febroary.Ny angom-baovao azo ny alatsinainy 03 Febroary talohan’io no nahalalana fa misy fiara avy any atsimo handalo mitondra entana voararan'ny lalàna.Nandrasana ilay fiara dia nosakanana ary nosavaina. Hita tao ambony, misarona labasy nandritra izany no sady tao anaty gony ireo karazana zava-boahary tafiditra anatin'ny vokatra arovana ireo. Anisan’izany ny operculincarya pachypus miisa 207, ny Pachypodium gracylus miisa 486 ary ny Senna meridionalis 189 isa. Tsy misy taratasy milazalaza azy, izy ireo fa "commission" nampitondrain'olona hoy ny vaovao azo.Noraisina ny momba ny fiara sy ny koperativa misy azy ary ny tompon'ny fiara ka efa miroso amin'ny famotorana sy fandraisana fepetra ny tompon'andraikitra. Nogiazana kosa ny entana voarara. Tsiahivina moa fa fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena ho an'ireo sokajin-javamaniry sy biby miaina amin'ny endriny nahariana azy izay ahiana ho lany tamingana ireto karazana baobab ireto. Lisitr'ireo karazany rehetra hita ao anaty tovana I ao amin'ny CITES izy ireo. Ity tovana ity dia mirakitra ireo karazana voahary ahiana ho lany tamingana ka ny famarotana azy dia arahina didy fanaraha-maso henjana sy maty paika ka tsy azo omena alalana raha tsy misy antony manokana.Voararan'ny lalàna faha 2005-018 ny 08 Oktobra 2005 mikasika ny CITES, ka hita ao anatin'io lalàna io ny tovana I, II, III, IV ary V mitanisa ireo karazana zava-boahary amin'ny endriny nahariana azy sy fandrindràna manokana momba ny fananana azy, ny fanondranana azy, ny fanafarana azy , ny fampidirana azy avy any an-dranomasina an'ireo karazana voahary ireo.
Pati
Legende : Ireto ireo zanaka baobab tratra !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny