airtel

Actualités

13-oct-2025

Sakoroka teny amin’ny CAPSAT

Olona 3 voatifitra omaly alahady

Sample post image

Mpihavana avokoa ireo olona miisa 3 naratra

13-oct-2025

voatifitra omaly Alahady 12 Oktobra maraina teny akaikin'ny Capsat Soanierana. Anisan'ireny Rtoa Saholy izay voatifitra ny teo amin’ny tongony. Mananontena izy mamelona zaza 2. Efa nody omaly ihany. Voatifitra teo amin'ny feny kosa Rtoa Lalao. Niditra ny bala dia nivoaka hany ka goaka be ny feny. Vao maty vady vao haingana izy izay marihina fa tena lany volabe tamin'ny fitsaboana io vadiny io tokoa. Atoa Andry kosa no fanintelony izay voatifitra teo amin’ny ranjony. Potika ny taolany ary mbola nanaraka fandidiana tao amin'ny bloc izy omaly hariva mametahana vy amin’ny tongony. Mpatsaka ranon'olona no asany. Marihina fa olona mipetraka eny Soanierana izy ireo. Natsaka rano sy nampody ny zanany nilalao no nahavoatifitra azy ireo. Ny fitsaboana dia ny Fonds d’équité-n’ny Hopitaly no mandoa azy. Amin’ny maha-fianakaviana sahirana azy ireo kosa dia mila tohana izy ireo hahafahany mampandeha ny fiainany mandrapahasitrany. Ny laharam-pinday 032 42 424 27 no hahafahana mandray ny fanampiana ho azy ireo. Miorhasina Lorah no anarana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireto ry zareo !

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap