airtel

Actualités

26-mars-2026

SALON DE CHOCOLAT

ET DE LA GOURMANDISE

Sample post image

Hotanterahina ny 28 martsa etsy amin'ny Carlton

26-mars-2026

Hotanterahina etsy amin'ny Hotel Carlton Anosy amin'ny Sabotsy 28 Martsa ho avy izao indray ny andiany fahavalo amin'ilay hetsika Salon de Chocolat et de la Gourmandise karakarain'ny fikambanam-behivavy Wednesday Morning Group. Natao hamporisihina ny Malagasy mba hazoto hanjifa ny sokola no tanjona. Mbola tena ambany dia ambany mantsy raha araka ny tafa nifanaovan'izy ireo tamin'ny mpanao gazety omaly ny tahan'ny fanjifan'ny Malagasy sokola. Rehefa manakaiky ny fotoana hanatontosana ny fanadinam-panjakana ihany vao mihazakazaka mividy izany ireo voakasika fa ny ankoatra izay dia tena maina ny tsena. Fantatra anefa fa mitondra tombony ara-pahasalamana maro ho an'ny vatan'olombelona ny fihinanana sokola ka anisan'ireny ny manezioma. Nomarihin'ity fikambanam-behivavy iray ity moa fa natao indrindra hanohizana ny asa sosialy entin'izy ireo hanampiana ny mpiara-belona ny hetsika tahaka izao. Ankatoky ny Fetin'ny Paska rahateo koa isika, fotoana fihinanan'ny olona du fanjifany ny sokola.
Pati
Légende : Ireo vehivavy mpikambana eo anivon'ny WMG nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap