Notanterahina nanomboka omaly Alakamisy 22 Janoary hifarana anio Zoma.23 Janoary etsy amin'ny Le Pavé Antaninarenina ilay Salon de l'étudiant spécial rentrée volana Janoary karakarain'ny Madajeune. Tanjon' ny mpikarakara ny hanampy ireo tanora vao afa-panadinana Bakalorea tara fidirana tamin'ny volana Septambra sy Oktobra taona 2025. Toraka izany koa ireo efa nianatra ihany tany aloha saingy noho ny antony manokana dia voatery nijanona kely naka bahana ary hiverina hianatra indray ho fitsinjovana ny ho avy. Sekoly ambony manodidina ny 30 isa no miara-handray anjara amin'izany mampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy. Nisy moa ny toro-hevitra maimaim-poana nomena ireo mpianatra mikasika ny lalam-piofanana tokony arahiny mba tsy hahavery fotoana azy ireny. Nivoaka omaly ihany koa ny tari-dalana Madajeune nomerika hahafahan'ny mpianatra mamantatra ireo karazana sekoly ambony misy eto amintsika sy ny lalam-piofanana ao aminy ka amin'ny alalan'ny fampiasana finday dia efa hita sy fantatra izany. Tsiahivina fa misy ny fitsapam-pahaizana azon'ny mpianatra hatao hanampiana azy amin'ny lalam-piofanana tokony hoarahiny.
Pati
Légende : Manampy tanora maro hatrany ny Salon karakarain'ny Madajeune tahaka izao !
Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona