airtel

Actualités

01-août-2022

Actualités

Sambo Sun Bulk tafiditry ny rano Vary 150 taonina simba, ahiana ho nisy hafa niparitaka…

Sample post image

Vary milanja 150 taonina aloha hatreto no tena fantatra fa simba (vary lo, misy lomotra na moisissures, mivaingana, misy fofona…)

01-août-2022

noho ny fisiana fahasimbana eo amin’ny Cale n°5 an’ilay sambo SUN BULK mitondra izany. Vokany, tafiditry ny rano ity sambo ity, araka ny fampitam-baovaon’ny SPM (State Procurement of Madagascar). Efa noraisina ireo fepetra rehetra momba azy ireo. Na izany aza anefa dia mety mbola misy ireo vary efa niparitaka eny an-tsena kanefa tsy nisy endrika fahasimbana hita taratra avy ety ivelany, hoy ny SPM. Ao anaty gony 25 kg ary mitondra ny famantarana “N de Lot : GEPCL/10, date de production : feb 2022” ireo vary ireo koa manentana ireo mpamongady na mpaninjara tsy hivarotra amin’ny mpanjifa izay vary ahiana misy endrika fahasimbana fa hamerina azy ireo aty aminay fa ho soloina maimaimpoana izany. Marihana fa ireo gonim-bary nanakaiky ireo vary tena simba ireo no ahiana ho tratra izany tranga (contamination) izany, hoy hatrany ny antso avon’ny SPM izay nilaza fa tsy mikely soroka i SPM mba hanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
07-mai-2024

Mifarana ny taom-piasana 5 taona tsy azo havaozina ho an’Atoa Laza AndrianirinaTale Jeneralin’ny Bianco (Bureau indépendant anti-corruption)

Card image cap
07-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap
07-mai-2024

Karazam-biby tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara telo karazana be izao no fantatra

Card image cap
07-mai-2024

Moa tsy tahaka ireny migalabona fandrosoana sy fiadanana any amin’ireo firenena « Nordique »

Card image cap