airtel

Actualités

02-déc-2025

Saran’ny internet eto Madagsikara

Hihatra amin’ity herinandro ity ny fihenam-bidy

Sample post image

Manomboka mihatra amin’ity herinandro

02-déc-2025

ity ny fihenam-bidy amin’ny saram-pifandraisana Internet, araka ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Minisiteran’ny Fampivoarana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPPT). Nambaran’ny minisitra Mahefa Andriamapadiana fa vokatry ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra no nahatongavana amin’ity fanapahan-kevitra ity. Araka ny fanazavan’ny minisitra, samy hanapaka araka ny fahafahany avy ny mpandraharaha tsirairay ny isan-jaton’ny fihenam-bidy. Ho an’ny “internet fixe” manokana, dia nambara fa tokony hiala amin’ny rafitra miorina amin’ny vidin’ny “gigaoctet” ny tolotra, satria manavesatra ho an’ny mpanjifa madinika. Tokony hifantoka amin’ny kalitao, hafainganam-pandeha ary fahamarinan-toeran’ny tolotra ny rafitra vaovao, tahaka ny any amin’ny firenena maro maneran-tany. Momba ny hetra sy ny famatsiam-bola, naneho fangatahana mikasika ny fandoavana ny hetra “droit d’accise” ihany koa ireo mpandraharaha. Manoloana izany, nanamafy ny Fanjakana fa tsy manohitra ny fanapahan-kevitra, raha toa ka mazava fa tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny tetibolam-panjakana izany. Takiana amin’ireo mpandraharaha anefa ny famerenana mamatsy vola (réinvestissement) avy amin’ny vola voatahiry noho ny fandoavana io hetra io, mba hahafahana manatsara ny kalitaon’ny tolotra amin’ny alalan’ny vidiny takatry ny besinimaro, ny hafainganam-pandeha, ary ny fampiasam-bola. Tanjona ny hisian’ny tontolo nomerika mirindra sy hisian’ny fifaninanana. Nanamafy ny MNDPPT fa mijoro hatrany amin’ny fanohanana tontolo nomerika mirindra, mora idirana ary mifaninana ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ity fihenam-bidy ity dia heverina ho dingana lehibe amin’ny fanatsarana ny fidiran’ny mponina amin’ny sehatry ny nomerika sy ny fanamafisana ny fahaiza-mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Na izany aza, tsy mbola nisy serasera mazava mikasika ny fampidinina avy amin’ireo orinasam-pifandraisan-dafitra, na efa nisy aza omaly hariva ny orinasa amin’ny fifandraisan-davitra nanolotra tolotra internet 1000Ar ho an’ny 1Go eo anelanelan’ny amin’ny 11ora alina hatramin’ny 5ora maraina. Andrasana ny famoahana ofisialy sy antsipirihany mikasika ny fihenam-bidy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap