airtel

Actualités

22-mars-2022

Actualités

SEG saika maty, miaramila lavo Aiza ny vokatry ny fanadihadiana ?

Sample post image

Telo volana mahery izay ilay fianjaran’ny angidimby nitondra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Gellé Serge sy ireo mpiara-dia taminy ny 20 desambra 2021,

22-mars-2022

ka namoizan’ny manamboninahitra roa ny ainy, dia ny mpanamory sy ny Talen’ny fiarovana teo anivon’ny Primatiora, raha toa ka avotra soa aman-tara kosa ny SEG. Nambara fa hisy ny fanadihadiana momba iny loza iny ka aiza ihany ny vokany? Tsara ny manamarika fa isan’ireo olona nahazo dera tamin’ny olom-pirenena sy ny vahoaka ny SEG izay hany tompon’andraikitra ambony sahy nizara ampahibemaso sy tamin’ny haino aman-jery ny laharan’ny findainy. Sahy nilaza fa olona tsy manana dosie maloto sy raharaha kolikoly ka niantso ny hamoahana izany ho an’izay manana. Ny 17 oktobra 2021 nandritra ny fahatrarana safira 925grama teny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato, hentitra ity manamboninahitra ity nampitandrina ireo tompon’andraikitra ara-panjakana mety ho miray tendro sy na miditra an-tsehatra mandamina ny raharaha. Misy olona ambony voatonontonona tamin’iny raharaha trafikana harem-pirenena iny anefa tato aoriana. Fifandrifian-javatra ve ny loza niseho sy toetra amam-pihetsika nasehon’ny SEG sy ny loza nahazo azy sa nisy ambadika politika avo lenta? Manampy trotraka izany, ambaran’ny fampahalalam-baovao fa misy mandrahona ho faty, misy mifofo ny ain-dRamaroson Giambrone na Zambi ilay mpanjono nanavotra ny SEG tany amin’ny ranomasin’i Mahambo ny marainan’ny 21 desambra 2021.
SAO MBA NITSINJAKA TEO AMBONY FATIN’NY HAFA ?
Ny ampitson’ny nahitana azy velon’aina, dia navoaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana mampiakatra azy ho “Général de corps d’armée”. Notanterahina tany Fenoarivo Atsinanana faritra Analanjirofo ny faran’ny herinandro teo ny lanonana manetriketrika fampiakarana sy nanolorana mari-boninahitra ho azy. Nisy ny fandihizana nampitolagaga imasom-bahoaka noho ny hafaliana. Somary miteraka kiana anefa io, fa tsy dia mendrika loatra ireny, ary tsy tokony hatao imasom-bahoaka, kanefa manao fanamiana mpitandro filaminana, fa hafa raha toa ka hoe : any amin’ny fetin’ny samy zandary. Maro etsy an-daniny ny mametra-panontaniana momba ireo ankohonan’ny namoy ny ainy? Nalefa nody izy 4 mianaka kamboty vady aman-janaky ny mpanamory, rehefa avy nametraka fehezam-boninkazo, dia ny Filoha Rajoelina sy ry SEG nanao fety toa nitsinjaka sy nifaly teo ambonin'ny fatin'ny hafa, nahazo galona sy “décoration” na mariboninahitra noho ny sorona tamin’ny hafa, hoy ny fanehoan-kevitra. Toa tratry ny kiana ny SEG ka misy mihitsy ny mametra-panontaniana hoe: efa lasan-dRajoelina ambongadiny ve? Ity manamboninahitra ity izay toa lasa mirona betsaka any amin’ny politika, raha tsy hilaza afatsy ilay fanambarana niantsoana ny mpikamban’ny governemanta hanaiky fandaminana sy tsy hibodo toerana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap