airtel

Actualités

06-févr-2025

Seranantsambon’i Toamasina

Fiara 296 tsy maintsy horavana sy hatao lavanty

Sample post image

Fiara hatrany amin’ny 296 isa izay nampidirina teto Madagasikara nefa voasokajy

06-févr-2025

ho "véhicule prohibé" na tsy manaraka ny fenitra ara-dalàna sy ara-kalitao takian’ny lalàna no tsy maintsy hatao lavanty amin’ny alatsinainy 17 febroary ho avy izao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fadintseranana, ireo fiara ireo dia hozaraina ho sokajy efatra ary tsy maintsy ho ravana ho "pièces détachées" sy "ferrailles" alohan’ny hamoahana azy, ka andraikitry ny mpividy ny fandaniana amin’izany. Natao manokana ho an’ny orinasa miasa amin’ny sehatry ny tontolon’ny vy na « métallurgie » sy fivarotana kojakoja fiara na « sidérurgie » noho izany ny lavanty. Nampahatsiahy ihany koa ny fadintseranana fa voararan’ny lalàna eto Madagasikara ny fanafarana sy fampidirana fiara vaventy mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, fiara mpitatitra olona mihoatra ny 10 taona, ary fiara misy familiana ankavanana na "conduite à droite". Ireo fiara tsy mifanaraka amin’ireo fepetra ireo dia tsy azo ampidirina na ampiasaina eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap