ho "véhicule prohibé" na tsy manaraka ny fenitra ara-dalàna sy ara-kalitao takian’ny lalàna no tsy maintsy hatao lavanty amin’ny alatsinainy 17 febroary ho avy izao ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra ao amin’ny fadintseranana, ireo fiara ireo dia hozaraina ho sokajy efatra ary tsy maintsy ho ravana ho "pièces détachées" sy "ferrailles" alohan’ny hamoahana azy, ka andraikitry ny mpividy ny fandaniana amin’izany. Natao manokana ho an’ny orinasa miasa amin’ny sehatry ny tontolon’ny vy na « métallurgie » sy fivarotana kojakoja fiara na « sidérurgie » noho izany ny lavanty. Nampahatsiahy ihany koa ny fadintseranana fa voararan’ny lalàna eto Madagasikara ny fanafarana sy fampidirana fiara vaventy mpitatitra entana mihoatra ny 15 taona, fiara mpitatitra olona mihoatra ny 10 taona, ary fiara misy familiana ankavanana na "conduite à droite". Ireo fiara tsy mifanaraka amin’ireo fepetra ireo dia tsy azo ampidirina na ampiasaina eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny tatitra.
Toky R
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady