airtel

Actualités

03-avril-2026

Serge Imbeh Jovial

"Fomba hitadiavana ireo vola

Sample post image

nahodinkodina ny fanovana vola"

03-avril-2026

 

Efa nisy Firenena nanao an'io, ny tanjona ao anatin'io fanovana vola io, dia betsaka ireo vola mbola miafina, miodinkonkondina, nahodinkodina teo aloha nandritra ireny sahotaka, hoy ny mpahaitoekarena sady mpanao politika Serge Imbeh Jovial, raha niditra mivantana tao amin'ny Rop radio tamin'ity herinandro ity. Fomba hitadiavana azy ireny ny fanovana vola, tsy maintsy manakalo an'ireny any amin'ny Banky ireo mitahiry ireny vola mety miafina sy milevina any ho any ireny. Na manova vola hoe 20000Ar fa sary hafa, na io famerana 1000Ar. Ny hoe manova ny sandam-bola ve, dia ny 1000Ar mijanona 1000Ar, 20000Ar mijanona 20000Ar,... Tsy manova fa ny politika ara-bola eo amin'ny tsenan'ny fifanakalozana ara-bola manoloana ny euro, dolara,... no manova ny sandam-bola. Mety hisy "effet pervers" na fitotonganana kosa raha tsy hay ny mandrindra azy. Hampikorontana ve? Nambarany fa toy ny manova vola rehetra, ary raha hanao 50000Ar tokana ohatra dia ny toekarena no miova manaraka an'iny, tsy miteraka fikorontanana, fa mandeha tsikelikely, tonga amin'ny fahazarana, ny fotoana no mety olana,... Momba ny politika ara-bolan'ny Banky Foiben'i Madagasikara, miankina bebe kokoa amin'ny pitsopitsony na "paramètres" isan-karazany ny "taux directeurs" an'ny Banky Foiben'i Madagasikara izay notazonina 12%, ka anisan'izany ny sondro-bidim-piainana na "inflation". Matoa voatazona amin'io dia miova izany ny sondro-bidim-piainana. Rehefa marin-toerana io dia tsy manana tombotsoa ny BFM hampitombo na hampihena ilay "taux directeurs". Raha mihena 10% ohatra io dia mihena ny "taux d'emprunt" any amin'ireo "banques primaires", ka lasa betsaka ny maka vola, ary rehefa betsaka ny maka vola dia misy ny fampiasam-bola, izay mampiakatra ny fanjifana na ny "consommation", izay mampiakatra ny tinady noho ny tolotra, mampiakatra ny vidim-piainana. Rehefa miakatra indray ny taux directeurs any amin'ny BFM, dia miakatra ny zana-bola amin'ny banky tsotra,... Ara-politika, nilaza i Serge Imbeh Jovial fa eo foana rehefa misy fotoana hanompoana ny Firenena na anaty governemanta na tsia. Tsy anaty governemanta ihany no afaka miasa. Nisy tokoa ny fifampiresahana sy fifandaminana, mifandray sy mankahery ny Filoha sy Praiminisitra, ary eo foana rehefa mitady azy izy ireo amin'ny soson-kevitra hitondrana ny Firenena
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Misy ireo toetra tsy maintsy ananan'ny

Card image cap
16-avril-2026

machine élévateur" ilay olona

Card image cap
14-avril-2026

antsika fa ny hafa no mahazo tombony»

Card image cap
14-avril-2026

Ampangain’ny PAN ho mpanakorontana ireo ampahana GEN Z

Card image cap
14-avril-2026

mpanao kolikoly izaho sy ny Filoha ! »

Card image cap
14-avril-2026

Tovovavy iray izay lany

Card image cap