ho avy izao no hanatanterahana azy io eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, fotoana iray iarahana mikorana sy iarahana amin’ny fianakaviana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena26 Jona. Novolavolaina hampifaly ny ankizy sy ny lehibe ity hetsika ity, ahitana fampisehoana miavaka, fanentanana isan-karazany hahazoana loka, kerimesy, ary ihany koa toeram-pivarotana manasongadina ireo zava-pisotro STAR, ka tafiditra ao anatin’izany ny Labieran’ny fahaleovantena, izay vokatra manokana sy mandalo, mariky ny hambompom-pirenena. Feno dia feno ny fandaharam-potoana raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra omaly.Isan’andro dia hisy fanentanana miavaka iarahana amin’ireo mpanentana matihanina eto an-toerana toa an’i Fou Hehy, Barhone, Teg, DJ Three T, DJ Looping ary RAERZ. I Skaiz sy ny tarika Ambondrona kosa no hisantatra ny fampisehoana ny datin’ny Zoma 20 Jona. Ho avy mavitrika aorian’izany i Lion Hill sy Samoela ny Sabotsy 21 Jona raha i Tsota sy i Basta Lion ary LJO no hanarana azy ny Alahady 22 Jona. Hisy moa ny fanadiovana ny toerana hataon’ireo ekipa efa voatokana isan’andro. Hojerena manokana ihany koa ny lafiny fandriampahalemana hahafahan’ny vahoaka mifety. 2.000 Ar ny vidim-pidirana.
Pati
Legende : Ireo tompon’andraikitra nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"