airtel

Actualités

16-juin-2026

STAR TOUR TANA 2026

Hampifaly sy hampiala

Sample post image

voly ny fianakaviana eny Antsonjombe

16-juin-2026

Raikitra ny Star Tour Tana taona 2026. Ny 19,20 ary 21 jona ho avy izao no hanatanterahana azy io eny amin’ny Coliseum Antsonjombe. Fotoana iray iarahana mikorana amin’ny fianakaviana ny Star Tour, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena Malagasy. Novolavolaina hampifaly ny ankizy sy ny lehibe ity hetsika ity, ahitana fampisehoana miavaka, fanentanana isan-karazany ahazoana loka, kerimesy, ary ihany koa toeram-pivarotana manasongadina ireo zava-pisotro STAR, ka tafiditra ao anatin’izany ny Labieran’ny fahaleovantena, izay vokatra manokana sy mandalo, mariky ny hambompom-pirenena. Ho feno dia feno ny fandaharam-potoana mandritra izany. Isan’andro dia hisy fanentanana miavaka iarahana amin’ireo mpanentana matihanina toa an'i Fou Hehy, Barhone, Teg, DJ Three T, DJ Looping ary DJ CYEMCI. Ny Zoma 19 jona no hiaka- tsehatra ry LJO sy Lion Hill Handimby azy ry Mad Max sy Rossy ny Sabotsy 20 Jona raha ry Nael sy Stephanie no hamarana ny lanonana ny Alahady 21 Jona. Toy ireo hetsika rehetra karakarain’ny STAR, dia hifanome tanana ny mpiambina sivily sy ny mpitandro ny filaminana mba iantohana ny filaminana mandritra ireo telo andro ireo, ary hisy ihany koa ekipa manokana hanatanteraka ny fanadiovana isan’andro.
Pati
Légende : Mandritra ny tafa nokarakarain'izy ireo ho an'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

14-août-2026

intsony ny fikaonandoha eo!»

Card image cap
14-août-2026

miazo an'i Toamasina

Card image cap
14-août-2026

Voatendry ho Tale Jeneralin’ny CNaPS

Card image cap
14-août-2026

no filan'Antananarivo

Card image cap