airtel

Actualités

18-juin-2025

Tafakatra 17 ireo maty, olona 2 nosamborina…

Voaporofo fa nisy poizina mahery vaika tamin’ny sakafo...

Sample post image

ny ACSSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires)

18-juin-2025

etsy Tsaralalana no nanao ny fanadihadiana sy fitsirihana mikasika ny fahapoizinana faobe niteraka fahafatesana olona maro tao amin’ny tao amin'ny trano fandraisam-petin'ny Espace Valeria - Immeuble M-City, sampanan'i Imerikasinina RN2. « Voamarina sy voaporofo fa tamin’ireo singa tamin’ny sakafo sy singa nalaina tamin’ireo marary no nanamarina, fa poizina mahery vaika natao tamin’ny sakafo no niteraka ny loza », hoy ny tatitra izay notaterin’ny fahitalavitra iray omaly. Fantatra tao anatin’izany, fa fanafody mampidi-doza sy mahery vaika no hita tamin’ireo singa nalaina. Voalavo miisa 5 milanja 20g no nanaovana fanandramana. Mahery vaika ny poizina natao tamin’ireo sakafo. Mihetsika tampoka, mandoha, ary malemy,… no fisehony. Ny iray tamin’ireo voalavo dia 5segaondra monja dia maty, hoy hatrany ny tatitra. Misy fambara maneho fahapoizinana mifandray amin'ny vokatra misy poizina mahery vaika sy mampidi-doza, na «signe d'intoxication lié à un produit toxique et dangereux », hoy ny fehin-kevitra. « Voaporofo fa fanampoizinana ara-tsakafo no niseho. Poizina mahery vaika no nahafaty ireo olona izay nasaina. », hoy ny hatrany ny fampahalalam-baovao namoaka voalohany ny tatitry ny fanadihadiana. Somary manahirana andaniny ny voambolana vahiny hoe : « fahapoizinana sy akora tsy tsy nahy noho ny antony samihafa (intoxication) sa fanapoizinana na famosaviana niniana natao (empoisonnement) ? Raha raisina amin’ilay tatitra dia poizina mahery vaika niniana natao tao anaty sakafo ? Ny azo antoka aloha izany dia misy resaka akora mamono ity raharaha ity. Ny fitantaran’ny renim-pianankaviana manana havana 4 be izao nodimandry dia naneho fa « Brochette » no tena nohanin'ny iray tamin'izy 4 ireo rehefa nanontanian'ny mpitsabo, ary io no tonga voalohany sy nodimandry voalohany. Samy manana ny zavatra nohaniny ireo namoy ny ainy. Nisy ihany koa ny nitondra sakafo nody izay nitera-doza ho an'ireo tany an-trano . « Donut » moa no voalaza fa nentina nody, raha ny vaovao niely. Mbola betsaka na izany aza ny zavatra mifamahofaho sy mampiahiahy satria misy ihany koa ny filazana hafa toy ny fanapariahana fa tapaka 11ora ora talohan’ny nihinana ny sakafo ny herinaratra ka nivadika ny sakafo,… Mpivady mpanao « composé » eo Ampasapito no efa Nosamborina, raha ny loharanom-baovao vonjimaika, izay andrasana ny fanamafisana na fandisoana an’izay. Izy ireo izay voalaza fa efa nametrahan’ny tompon'ny fety fitokisana nikarakara ny « composé » tamin'io fotoana io,...


TAFAKATRA 17 NY MATY
Tafakatra 17 ireo maty raha ny antotanisa farany omaly takariva. 51 no noraisina an-tanana, 3 maty teny amin’ny Hopitaly manara-penitra Andohatapenaka, 1 teny amin’ny HOMI Soavinandriana raha 1 tany amin’ny toeram-pitsaboana hatrany, ka nampiakatra ho 17 ireo namoy ny ainy. Ny antontan’isa ho an’ny alatsinainy teo dia namoaka fa 12, izany hoe : nisy 5 hafa indray tsy tana ny ainy. Miisa 19 no mbola anaty fahasarotana na « état critique » raha toa ka 4 kosa no efa afaka nody. Ekena sy ankasitrahana ny heverina fa ezaka ataon’ny mpitsabo, saingy misy ihany ny fitarainana samihafa manodidina ity tranga ity. « Ny henonany amin’ireo sasany dia tena tsy misy fandraisana andraikitra mihitsy ny dokotera. Tonga ny minisitra . Maninona ilay olona no alefa hopitaly dia tsy misy mandray andraikitra ilay dokotera,… Tena sarotra be ! Raha mitohy izao, dia be dia be no ho faty mivoaka ao. Ny fanafody nividy tamin’ny voalohany, fa izao ohatran’ny hoe raisin’ny Fanjakana ilay izy. Ny fanafody tsy maninona iny, fa ilay dokotera mihitsy, nahoana ny dokotera no tsy ampy », hoy ny raim-pianankaviana anankiray manana havana lasibatra miisa 2 hita tamin’ny fampahalalam-baovao.
ANDRASANA NY TOHINY…
Natsangana moa ny "cellule de crise" momba ity raharaha ity, araka ny fanambarana nataon’ny manam-pahefana omaly. Mifantoka tanteraka amin’ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izao fotoana izao, mba hivoahan’ny marina, ka manentana ny tsirairay tsy hanaparitaka vaovao tsy mari-pototra, hoy hatrany izy. Entanina ihany koa ny rehetra hanamarina ny vaovao mialohan’ny hizarana azy, amin’ny alalan’ny mpampita vaovao matihanina sy ny fanambarana ofisialin’ny tompon’andraikitra nanao ny famotorana, hoy ny manam-pahefana.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap