airtel

Actualités

26-déc-2025

TAHINA RAZAFINJOELINA

"Iainana ny finoana ary mila

Sample post image

manetri-tena ny mpino"

26-déc-2025

Maniry krismasy sambatra amintsika mianakavy rehetra aho ho Atoa Tahina Razafinjoelina, filohan'ny antoko Tia Tanindrazana omaly 25 desambra 2025. Enga anie tena hanana ny lanjany ara-panahy amintsika ny krismasy ary hiainantsika mandrakariva fa tsy anio sy ny fety ihany, hoy izy. Nampatsiahiviny fa ny fahaterahan'i Jesoa Kristy dia midika fifaliana satria fahaterahana. Midika fanavaozana vaovao izay mitaky fanetren-tena. Ny mpino tokoa dia mila faly (miteraka fifankatiavana) ary mila manetri-tena (tsy tia voninahitra) ary manao ny marina, hoy izy. Ireo no antony hanomezan'ireo tsy mpino antsika tsiny matetika satria ny finoantsika mazana dia aseho fa tsy iainana ka maro no manakiana fa ny finoantsika dia fanafenana faharatsiana fotsiny ihany, hoy i Tahina Razafinjoelina nanaitra ny mpino. Andao koa isika hiova fa tsy hiandry ny hafa foana e, hoy izy. Andao tsy ho kizitina amintsika samy isika, andao hiezaka hanao ny marina. Andao hiezaka hanaiky diso rehefa misy tsy mety fa tsy ny hafa foana no omena tsiny. Tsy izany ve no tena fahaterahana vaovao?
Nangonin'i RTT
Tahiry Tiana
(Tahirin-tsary)

 

Dans la même rubrique

26-août-2026

tsy nahavaha olana

Card image cap
26-août-2026

fahaverezam-panahintsika!»

Card image cap
26-août-2026

maso sy fisavana ny Minisitera

Card image cap
26-août-2026

Madagasikara hizorana

Card image cap
26-août-2026

120 tapitrisa dolara fa tsy 77

Card image cap
26-août-2026

Nifanekena ny hanatsarana ny tolotra « mobile money »

Card image cap