airtel

Actualités

04-oct-2022

Actualités

Talatamaty hiatrika fahavaratra Entanina mba tsy hanary maloto ao anaty tata-drano ny mponina

Sample post image

Efa miditra sahady amin’ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra ny kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo.

04-oct-2022

Nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ny mpiasan’ny kaominina nitety ireo Fokontany maro samihafa nijerena manokana ireo tata-drano tsentsina hisorohana ny mety hisian’ny tondra-drano. Toraka izany ihany koa ireo tokantrano manary maloto mivantana amin’ireny tata-drano ireny izay marihina fa mandoto ny hafa no sady manimba ny fahasalaman’ny mpiara-belona. Na izany aza mbola fanentanana fotsiny ihany no natao. Nambaran’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic kosa anefa fa raha mbola mitohy ny dihi-dohan’ireo tokantrano sasany dia tsy maintsy hiditra amin’ny fanasaziana ihany izy ireo atsy ho atsy. Hatreto aloha raha araka ny fanazavany hatrany dia saika ahitana ireo tokantrano manary maloto mivantana amin’ny tata-drano avokoa ny Fokontany rehetra. Ho an’ireo Fokontany manakaiky tsena kosa dia ireo karazam-pako toy ny harona sachet plastika….no tena manentsina ireny tata-drano ireny ka tsy maintsy nohamafisina ny fanentanana. Samy nandray ireo mpiasan’ny kaominina tonga nanao fanentanana avokoa moa ny mponina ary samy nampanantena fa hanao ezaka hisorohana ny tondra-drano. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony nahatondraka ny lalana mamakivaky ny farihin’Andranopahana ny fahantsentseman’ireo tata-drano sasany tao anatin’ity kaominina ity.
Pati
Legende : Hentitra ny fisavana ireo tokantrano manary rano maloto amin’ny lalan’ny ranon’orana
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap