Dama Andrianarisedo Retaf Arsène, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny asa fanaraha-maso sy ny fanentanana ireo olompirenena amin’ny maha zo sy adidy ny fidirana anatin’ny lisitry ny mpifidy, nitafa mivantana tamin’ireo rantsamangaika teny an-toerana ihany koa ny tenany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nandritra izany no nampanantenany ny hijerena manokana ny tambin-karaman’ireo vaomiera ifotony misahana ny fanisana ny mpifidy na « Commission Locale de Recensement des Electeurs » na CLRE sy ny fanampin-karama na “prime” ho an’ireo mpanisa ny mpifidy na «Agent recenseur» (AR) nahatratra ny tanjona napetraka taminy. Hitohy amin’ireo kaominina eto an-drenivohitra sy manerana ny nosy moa izao hetsika fidinana ifotony hanaraha-maso ny fizotry ny asa sy hanentanana ny olompirenena ataon’ny CENI izao. Natao izany, hahazoana lisitry ny mpifidy marina, madio ary feno, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Mijanona ho fampanantenana, araka izany, hatreto aloha ny resaka tambin-karama ho an’izay mpanisa mpifidy izay.
J. Mirija
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.