airtel

Actualités

11-nov-2026

Tantsoroky

ny Faritra Analamanga

Sample post image

ho an’ny fampandrosoana

11-nov-2026

Notolorana simenitra 100 lasaka sy vy an-jatony ny CUA
Namaly ny fangatahan’ny Filohan’ny delegasionina manokana na ny PDS eto Antananarivo amin’ny fanohanana fampitaovana entina manohana ny fananganana fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Analamanga. Nisy noho izany ny fanolorana simenitra CPJ 50 lasaka, CPA 50 lasaka, Fer 6 miisa 50, Fer 8 miisa 50, ary fer 10 miisa 50 ihany koa, izay natolotra ofisialy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny CUA. Nomarihin’ny Lehiben’ny Faritra Rtoa Clémence Raharinirina fa miainga amin’ny fangatahana ataon’ireo ben’ny tanàna no ahafahana manao tan-tsoroka. Rehefa nanao ny PDS dia niezaka namaly ny Faritra, toy ny atao amin’ireo kaominina rehetra, izay nisy 67 no nanao fangatahana. Teto an-dRenivohitra dia nanao fangatahana ny teo anivon’ny Boriborintany faha-6 amin’ny fanamboarana tetezana, tafo kosa no nangatahan’ny sekoly teny Anosisoa,… Ho an’ny tombotsoam-bahoaka hatrany no tanjona, ka santatra ambarano daholo ireo, fa hiezaka hatrany ny Faritra hanao izay tandrify azy sy zakany, « Ny Faritra Analamanga dia eo hatrany, eo anilan’ireo kaominina rehetra ato amin’ny Faritra, manao ny tan-tsoroka amin’ireo asa fampandrosoana rehetra. Nampita firarian-tsoa ho an’ny PDS eto Antananarivo, ary nanamafy ny faniriany hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo sy ny Faritra Analamanga moa ny Lehiben’ny Faritra Rtoa Clémence Raharinirina. Marihina fa efa nisy ny tan-tsoroka tahaka izao nataon’ny Faritra Analamanga ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo,… Manoloana ny vanim-potoana fahavaratra ho avy, miomana ny Faritra Analamanga ka ao anatin’ny fikojakojana ireo « moto pompes » hahafahana manao vonjy taitra amin’ny mety ho fiakaran’ny rano, miomana amin’ny asa sosialy manoloana ireo olana mety hosedrain’ny mponina,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap
12-nov-2026

85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030

Card image cap
12-nov-2026

Tara, amin’ny 20 na 21 novambra

Card image cap
12-nov-2026

Nisy ramatoa tratra

Card image cap
12-nov-2026

Hanao fampisehoana

Card image cap
11-nov-2026

Nesorina ny DG Lemana Elisée,

Card image cap