airtel

Actualités

05-mars-2026

Telo herinandro taorian'ny GEZANI

36% ny mpianatra no

Sample post image

mbola afaka mianatra

05-mars-2026

Miverina tsikelikely amin'ny fiainana andavanandro ny mponina ao Toamasina telo herinandro taorian'ny GENAZI, ilay rivodoza nahery vaika namotika hatrany amin'ny 90% ny tanàna. Mitohy ny asa fanarenana na mbola tena lavitr'ezaka aza izany. Araka ny fampitam-baovao nataon'i Roland Ratsiraka, solombavambahoaka voafidy tao Toamasina I dia 36% ny mpianatra no mbola afaka mianatra amin'izao ; 12% ny vahoakan’i Toamasina no mahazo jiro raha vinavinaina ho 75% no hisitraka izany hatramin'ny faran'ny volana martsa ary 100% no hisitraka rano avy amin’ny Jirama. Maro no manao tantsoroka hamerenana haingana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina. Anisany ireo miaramila miisa 100 isan'andro no manome tanàna amin'izany. Nanome vola manodidina ny 68 miliara Ariary ihany koa izao ry zareo Japoney ho fanatsarana ny fitsinjarana herinaratra ao Toamasina. Vita sonia omaly ny fifanarahana momba izany, teo amin'ny Governemanta Malagasy tamin'ny alalan'ny minisiteran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola andaniny sy ny Japoney tamin'ny alalan'ny JICA ankilany. Zava-dehibe ity tetikasa ity, izay haharitra roa taona, satria renivohitra ara-toekaren'i Madagasikara i Toamasina, ka tena ilaina ny fisitrahana herinaratra matanjaka, izay azo antoka fa hanampy ny filàn’ny mponina mbamin'ireo seha-pihariana samihafa. Asa hisongadina mandritra izany ny fanarenana sy fanavaozana ny tobim-panovàna herinaratra sy ny tambajotra fitsinjarana, mba hanatsarana ny tolotra. Eo koa ny fananganana foto-drafitrasa sy fametrahana fitaovana arifomba hanamafisana ny tambajotra sady fiomanana amin’ny fitomboan’ny hetsika ara-toekarena, indrindra amin’ny fivelaran’ny Seranan-tsambon’i Toamasina.
Jean D.
Ireo miaramila manao tantsoroka ny Jirama amin'ny famerenana ny famatsiana herinaratra ao Toamasina
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap