airtel

Actualités

02-janv-2025

Tena efa tery i Antananarivo

Nandamoka ireo tetikasa fanitarana

Sample post image

Na an-davan’andro, indrindra, tao anatin’ny fetin’ny noely sy faran’ny taona farany teo,

02-janv-2025

dia tena nampiteny ny moana, hoy ny fitenenana, ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra. Saika mikatso hatrany na aiza na aiza aleha. Samy mahita ny rehetra, rehefa monina sy mifamezivezy eto amin’ity renivohitr’i Madagasikara ity fa tena efa tery i Antananarivo. Azo lazaina ihany koa fa nandamoka ireo tetikasa fanitarana samihafa nokasaina ho tanterahan’ireo mpitondra nijoro tao anatin’izao fitondràna nifototra tamin’ny tetezamita 2009 izao. Tsy tontosa ny tetikasa «Grand Tanà» tao anatin’ny fitondràna Rajaonarimampianina. Neverina ho nokasaina hisovoka izany moa taty aoriana ny tetikasa Tanamasoandro saingy ireny nahasahian’ny mpiray tanindrazana nanohitra hatramin’ny farany ireny na nihatra tamin’ny ainy aza. Efa maro ny fanazavana samihafa nomen’ireo tekinisianina sy manam-pahaizana ny amin’ny tokony hisiana dinika ara-piarahamonina sy fandinihana lalina na hoe «étude» mikasika ny tetikasa goavana tahaka itony na dia fara-faha keliny aza hoe ho entina handaminana ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe araka izay efa nambara teo fotsiny. Tsy hita hatramin’izao koa izao io ny fanatanterahana ny tetikasa Fly Over satria dia heverina hatrany fa tsy vitan’ny teoria sy ny werawera, indrindra, ny tsy fahaiza-mitantana izany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap