airtel

Actualités

15-févr-2023

Actualités

Tetikasa lehiben’ny fitondram-panjakana Mbola iantsoana mpiara-miombon’antoka hatramin’izao

Sample post image

Miantso ny mpiara-miombon'antoka ara-bola sy ara-teknika rehetra ny fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ny drafitra ankapoben'ny fampandrosoana ny tambazotra ara-toekarena na « TaTom »,

15-févr-2023

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Anton'ny nanatanterahan'ny minisiteran'ny fanajariana ny tany, ny asa vaventy, ny fitaterana ary ny tanàna vaovao ny fihaonana an-databatra boribory omaly 14 febroary 2023 tao Anosy mba hahafahana manosika ny fampandrosoana ny toekarena malagasy izany. Tafiditra ao anatin'izany ny fanatanterahana ny vina amin'ny fanatsarana ny tananan'Antananarivo ao anatin’ny 15 taona hatramin'ny taona 2033. Ahitana ireo tetikasa lehibe toy ny Tanamasoandro, eo ihany koa ny fampifandraisana ny faritra avaratra amin'ny lalam-pirenena faha 3, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Efa ao anatin'ny fanatanterahana ny tetikasa « TaTom » isika amin'izao fotoana izao hoy ny nambaran'ny sekreteram-panjakana misahana ny tanana vaovao sy ny toeram-ponenana. Mbola iantsoana mpiara-miombon’antoka ihany, araka izany, hatramin’izao ireo tetikasa lehibe, 4 taona mahery nitondran’izao fitondrana izao, 5 taona eo ho eo nahavitan’ny fampihelezan-kevitra. Aiza ho aiza izany ilay hoe fampandrosoana tsy vitan’ny teo aloha nandritry ny 60 taona nefa vitan’izao fitondrana izao tao anatin’ny 5 taona? Sa ao anatin’izao 6 volana farany izao vao hanovokovoka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap