airtel

Actualités

12-juin-2026

Tetikasa ODOF

Tsy mandeha ny 70% noho ny olana samihafa

Sample post image

Dimy taona aty aorian'ny nanombohan'ny

12-juin-2026

tetik'asa fanokafana indostria eny ifotony ODOF (One District One Factory) na Taniketsa Indostrialy dia fantatra ankehitriny fa tsy mandeha ny 70% tamin'ireo milina efa napetraka. Anisany nivoitra io raha namaly ny fanontanian'ireo solombavambahoaka ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra tsy Miankina, Raharimanjato Ny Riana Nampoina, nandritra ny fihaonana teny amin'ny Lapan'ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, ny Talata 09 jona 2026. Nambaran'ny Minisitra fa tetikasam-panjakana efa miparitraka eny anivon'ny Distrika maro ny ODOF. "Mahatratra 89 ankehitriny ny milina efa nozaraina, 30% no mandeha tsara ary ny 70% kosa tsy mandeha noho ny olana samihafa", hoy izy. Nambarany fa efa misy ny asa ho fanarenana izany mba hanampiana ny famokarana sy ny fanodinana ny vokatra mampiavaka ny Distrika tsirairay. Tsiahivina fa tamin'ny volana May 2021 no nisantarana ny fanombohan'ity tetikasa ODOF ity tany Ihosy.
Jean D.
Tetikasa ODOF manodina voatabia ho ketchup ao Ambatondrazaka
 

Dans la même rubrique

11-août-2026

Miha milentika i Marie Michelle, 5 hafa nidoboka

Card image cap
11-août-2026

Marc Dillard, diplaomaty efa za-draharaha

Card image cap
11-août-2026

maty nianjeran'ny tamboho

Card image cap
11-août-2026

mponina ireo mpivarotra manodidina

Card image cap
10-août-2026

Firenena handresena ny haizina

Card image cap