Ny 11 septambra 2011 ny tenako no nanorina ny fikambanana Miahy tao Antehiroka, Antananarivo II, hoy ny diaspora malagasy monina ao Parisy, Frantsa, Tianavelo Sophia Aisha, ary tanjona tamin’izany ny hiahy ny reny sy ny zaza ary ny tanora. Antson’Andriamanitra no antony nananganana ny fikambanana satria narary mafy ny tena ny fiandohan’ny taona 2011, hoy izy. Nisy feon’Andriamanitra nilaza tamiko hoe avia hanaraka ahy! Omeko anao ny asako hoy izy fa ajanony ny asanao amin’izao fotoana izao. Nekena tam-pitiavana sy fanetren-tena izany. Tafatsangana ny taona 2012 ny klinika hikarakaràna vehivavy bevohoka sy fampiterahana. Lasa klinika fandidiana izany ny taona 2013. Lasa miisa 2 ny klinika niorina teny Ampitatafika ny taona 2014. Niorina teo Ampasika avy eo ny fahatelo ny taona 2015. Niara-dalana tamin’izany ny fanomezana asa ho an’ny tanora toy ny fanokafana ho azy ireo itony fikirakiràna fifandraisan-davitra sy fifanakalozam-bola na «Cash point» itony. Nandao an’i Madagasikara moa ny tena ny taona 2017 mba hitadiavana ny mahasoa kokoa. Navela tamin’ny mpikambana, tanora maromaro sy Dokotera mpandidy ary Dokotera mpitsabo ny asa teto Madagasikara. Nijoro ankoatran’ireo klinika miisa 3 ireo koa avy eo ny 2023 ny toerana fanaovana zaitra sy ilay Cash point voalaza teo. Tao anatin’izay 15 taona nijoroana izay dia mbola tsy niamboho adidy ny fikambanana sy ny tena hanampiana ireo sahirana na dia anaty fahasahiranana aza. Maro ireo tanora nahazo asa nihazo firenena samihafa toa an’i Seychelle sy Dobay taorian’ny filàn’ny tena ravinahitra tany ivelany. Nanampy ireo klinika ny Paramedy maro. Niampy ireo tanora nisehatra tamin’ny zaitra ary nahazo fandraisana an-tanana koa ireo zaza kamboty sy sahirana. Isaky ny zoma moa izahay mizara sakafo ho an’ny sahirana manoloana ny Shalimar Tsaralalana, izay toerana niasàn’ny tena tamin’ny fahatanoràna. Ezaka atao ny fampiakarana hatrany ny fiainan’ny tanora sy ireo sahirana mba hitovian’ny malagasy rehetra. Tanora miisa 10 izao no mianatra zaitra. 8 no mianatra manao volo. Misy tolotra koa efa mandeha ho an’ireo tanora te hianatra hikoja endrika amam-bika. Misy koa ny sampana manao Rafia izay entina any Frantsa ary mandray anjara amin’ireny foara any an-toerana ireny. 2017 ka hatramin’izao nefa dia hita fa mbola tena sahirana ny ankamaroan’ny malagasy. Antony mbola hijoroana sy hitadiavana fiaraha-miasa amin’ny tanora ato anatin’ny fikambanana izany. Antso no atao amin’ny rehetra mba tsy hitomany seza politika fa mba hiaraka hitady vahaolana ialàn’ny malagasy anaty fahantrana sy fahasahiranana. Ny fandraisana andraikitra mivantana, fifampiresahana, fanoroana hevitra, fanomezana arato hanjonoana no tokony atao haingana fa tsy fandaniana andro amin’ny adilahy politika. Mila antsika rehetra mihetsika, tsy kanosa, mandray andraikitra, manao adidy. Ny tsiambaratelon’ny fahombiazana dia ianao tsy kanosa, ny fahasahiana, fialàna amin’ny akamoana. Miantso ny rehetra hifanome tanana, ho lavitry ny kolikoly sy fitiavan-tena, hoy hatrany ity diaspora nanorina ny fikambanana Miahy ity.
J. Mirija