airtel

Actualités

29-juin-2026

Toaka gasy

Tena mampidi-bola na mampidi-doza aza

Sample post image

Vanim-potoana mampitombo ny

29-juin-2026

fanjifana toaka gasy izao vanim-potoana anelanelan'ny volana Mey-Jona-Jolay-Aogositra izao satria mandritra ireo volana ireo no misy ny kolontsaina toy ny ala volon-jaza, ny didim-poitra, ny famadihan-drazana, sy ny hetsika ara-kolontsaina maro toy ireny festival ireny ... Araka izany dia mifamatotra amin'ny kolontsaina ny toaka gasy na galeoka na betsabetsa...satria na ankaratsiana na ankafaliana, na amina fandaminana disadisam-piaraha-monina dia eo mandrakariva ny toaka gasy. Tena mety mampidi-doza anefa ny toaka gasy raha toa ka manjifa ny vokatra tsy vita fitiliana izay tena miparitaka be manerana an'ireny tsena isan-kerinandro ireny. Aretina, lozam-pifamoivoizana, tsy fandriampahalemana...izay mety hamoizan'aina.

ARA-DALÀNA
Hatramin'ny Repoblika voalohany no efa ara-dalana ny famokarana toaka gasy saingy mbola tena vitsy ny mpandraharaha tamin'izany. Ao amin'ny fehezan-dalana ankapobeny ny hetra no manazava ny fepetra araky ny lalàna mahakasika ny dingana rehetra tsy maintsy arahana amin'ny famokarana, fanangonana, fivarotana ary ny fanjifana toaka gasy. Raha fintinina dia ny fepetra mahakasika ny famokarana, ny fahasalamana ary mahakasika ny fivarotana. Ny toaka gasy dia voasokajy ao anatin'ny "rhum artisanal" izany hoe : zava-pisotro misy alikaola raha ny lalàna. Taty aoriana dia nisy ny tolo-dalàna 2025-020 mahakasika ny famokarana, fanangonana, fivarotana ary ny fanjifana toaka gasy izay nolanian'ireo solombavambahoaka tamin'ny fivoriana ara-potoana faharoa ny Antenimierampirenena ny taona 2024 ary efa nahazo ny fankatoavan'ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana 01-HCC/D3 ny 28 janoary 2026, ary tamin'ny Aprily 2026 no nivoaka ny didy fampiharana io lalàna io. Nohamafisina hatrany fa tsy maintsy manome lanja ny fahasalamam-bahoaka ny famokarana izay atao ary koa tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra takian'ny lalàna toy ny fanaovana fangatahana mialoha izay vao afaka miroso amin'ny famokarana. Eo ihany koa ny fanaovana fitiliana mialoha any amin'ny laboratoara ao amin'ny ministera misahana ny fahasalamam-bahoaka (ACSQDA) ny vokatra. Rehefa vita fitiliana ka raha azon'olombelona hohanina ny valin'ny fitiliana dia izay vao maka Autorisation de Mise sur le Marché (AMM) ao amin'ny Ministeran'ny varotra sy fanjifana vao azo atobaka eny an-tsena. Ny fitiliana dia mamoaka ny singa rehetra sy ny tahan'ny alikaola izay tsy tokony mihoatra ny 44°C.

MAMORONA ASA
Raha jerena dia ny vahoaka monina eny amoron'ala rehetra ireny dia saika misehatra amin'io avokoa entiny hamelomany ny ankohonany, hiantohany ny fianaran-janany, ny fitsaboana, hiatrehany ny adidy, sns. Ny ankamaroan'izy ireo dia tsy manana taratasy fahazahoan-dalana hamokatra sy hivarotra noho ny mbola sarotsarotra ny dingana tsy maintsy arahana. Tsy maintsy aty Antananarivo ohatra ny laboratoara anaovana fitiliana ary misy sandany ny fanaovana izany. Na izany aza dia miteraka famoronan'asa any ambanivohitra rehetra any ity lalampihariana toaka gasy ity manomboka amin'ny voly fary, ny fanodinana, ny fivarotana. Mampihena ny tsy fandriampahalemana indrindra ny hala-botry. Mitombo ny fidiram-bolan'ny Kaominina amin'ny alalan'ny tamberimbidy alaina amin'ny famokarana sy ny fivarotana. Mampidi-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana koa ny vola alaina (hetra) amin'ny mpamokatra, ny mpanangom-bokatra ary ny mpivarotra. Manodidina ny 250 Ar/litatra no alain'ny fanjakana ankoatra ny fandoavana patanty. Misy ampahany omena ho an'ny Minisiteran'ny tanora sy ny fanatanjahantena amin'io 250 Ar/litatra io, misy koa ampahany omena ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka hanatevenana ny Tahirim-bola iraisam-pirenena momba ny fahasalamam-bahoaka. Noho ireo no tokony maha maimaim-poana ny fitsaboana.

Amin'ny ankapobeny dia 1 Litatra isan-taona isan'olona ny toaka sotroin'ny Malagasy, araka ny antotanisa navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena ny taona 2020. Manomboka eo amin'ny faha-9 taona ny Gasy no mandray alikaola. Miankindoha amin'ny toaka ny 10% ny Gasy 20 ka hatramin'ny 65 taona.

Jean D
 

Dans la même rubrique