i Titeuf sy Gino anisan’ireo tena ati-doha amin’izany no sady mpitarika ny Fikambanana Andian-jatovo "Gool Den Team". Efa voasambotra afak’omaly kosa ilay naman’izy ireo antsoina hoe : Lahiniriko Clédos. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia hanaovan’izy ireo tambabe izay tovovavy kely tratrany ka tena tiany ary tazoniny tsy havoakany raha tsy vitany ny sitrapony. Anisan’izany ireo tovovavy kely miisa 3 tsy hita tao Toamasina ary nanaovana fikarohana. Izy telo mirahalahy ireto kay no nitazona azy no sady nofahanany zava-mahadomelina sy nanamparany ny filàn-dratsiny ireo zanak’olona. Nilaza moa ireo manam-pahefana any an-toerana fa mbola mitohy ny fikarohana ireo naman-dratsin’izy ireo hahafahana miaro ireo tovovavy kely virijiny ao Toamasina. Raha araka ny fantatra mantsy dia mbola misy naman’izy ireo hafa mandehandeha any ho any. Hiakatra fitsarana amin’ity faran’ny herinandro ity izy telo mirahalahy ireto izay mbola samy mpianatry ny lisea avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telo mirahalahy mpamiravira tovovavy kely virijiny ao Toamasina
Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,
Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny
Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny
Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa
An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.