airtel

Actualités

11-nov-2026

Toetr’andro

sy loza voajanahary

Sample post image

Miomana ny BNGRC,

11-nov-2026

hisy fahasamihafana ny zava-misy manerana ny Nosy…
Anaty vanim-potoanan’ny mahamafy ny loza ara-toetr’andro i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Isan’ny akaiky indrndra ny tany Avaratry ny Nosy, saingy tsy misy ahiana. Na dia niteraka ahiahy aza ny fisian’ilay tangoron-drahona niforona tokony ho 250 kilaometatra avaratra atsinanan’i Sambava, dia nohamafisin’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC omaly, fa tsy nisy fiantraikany tamin’ny fiainan’ny mponina tao amin’ny faritra SAVA izany. Efa levona tanteraka ilay tangoron-drahona ka tsy nisy tranga manokana voarakitra teny an-toerana. Na izany aza, tsy miandry ny loza vao mihetsika ny BNGRC. Nambaran’ny Tale Jeneraliny, Gabriel Ramanantsoa, fa efa miroso amin’ny fiomanana mialoha amin’ireo loza voajanahary mety hitranga ny rafitra tarihiny. Efa voatahiry any amin’ireo toerana stratejika ny tahirin-tsakafo, raha efa nalefa any Diego kosa ny ekipan’ny foibe miaraka amin’ireo fitaovana fototra ilaina raha sendra misy vonjy taitra. Etsy an-kilany, efa nahazo toromarika sy fampahafantarana manokana ihany koa ireo tompon’andraikitra eny ifotony mba hiatrehana izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaha. Manoloana ny vanim-potoanan’ny rivodoza ho avy, dia vinavinaina hisy fahasamihafana ny zava-misy ara-toetr’andro manerana ny Nosy. Raha mety hahazo rotsak’orana betsaka sy hiharan’ny tandindon’ny rivodoza ny faritra avaratra, dia mbola atahorana ho tratran’ny haintany kosa ny any atsimo. Tombana mialoha anefa izany, satria mety hiova arakaraka ny fivoaran’ny toetry ny andro sy ny toe-javatra any amin’ny ranomasimbe manodidina ny Nosy. Eo anatrehan’ny voka-dratsin’ny El Niño, efa nivoaka ny drafitra vonjy taitra napetraky ny fitondram-panjakana. Efa eo am-pelatanan’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola ny dingana mifandraika amin’ny fampiharana izany, ka kendrena amin’izany ny hampitombo ny fahavononan’ireo rafitra rehetra voakasika sy hanalefahana ny mety ho fiantraikan’ny tranga. Anisan’ny paikady lehibe ampiasain’ny BNGRC amin’izao fotoana izao ny fanaovana vinavina mifototra amin’ny mety ho fiantraikan’ny loza mialoha. Vokatr’izany dia efa apetraka sahady any amin’ireo faritra heverina ho marefo ny fitaovana sy ny tahirin-tsakafo mba hahafahana mamaly haingana kokoa ny filàn’ny mponina raha sendra misy krizy na loza voajanahary miseho tampoka. Ankoatra izany, mbola manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy ny BNGRC. Ao anatin’izany ny fiaraha-mientana amin’ny PNUD any Ambovombe, faritra Androy, izay hametrahana milina maromaro hanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio. Tanjona amin’izany ny hanampiana mialoha ireo mponina, indrindra amin’ireo faritra marefo izay mety hiaina fahasahiranana ara-drano vokatry ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro.
Toky R


 

Dans la même rubrique

12-nov-2026

Nolanian’ny solombavambahoaka

Card image cap
12-nov-2026

85% ny loharan’angovo azo havaozina hatramin’ny 2030

Card image cap
12-nov-2026

Tara, amin’ny 20 na 21 novambra

Card image cap
12-nov-2026

Nisy ramatoa tratra

Card image cap
12-nov-2026

Hanao fampisehoana

Card image cap
11-nov-2026

Nesorina ny DG Lemana Elisée,

Card image cap