airtel

Actualités

13-mai-2025

Toky Rakotobe

«Vahaolana ny fametrahana ny mangarahara»

Sample post image

Tsy voaharo ny harem-pirenena eto, hoy ny mpahaiolona ara-kolontsaina sady

13-mai-2025

mpikamban’ny fikambanana Tandroharena na fikambanan’ireo mpianatra mpikaroka sy mpikaroka momba ny vakoka, Toky Rakotobe. Gaboraraka, robain'ny vahiny tanteraka i Madagasikara, hoy izy. Ny malagasy mangetaheta ambony lakana fotsiny. Mahantra ambony harena ilay malagasy. Efa manomboka mifehy ny tanàna izao ny vahiny eto. Izay metimety amin’ny mpitondra foana no hataony. Ny Ambatovy aza ity mbola manjavozavo ny fitrandrahana ao. Tsy Ambatovy irery no fitrandrahana goavana eto fa eo koa, ohatra, ny QMM ary hiditra koa io ny Base Toliara. Misy maro mihitsy fa tena mbola tsy mazava. Firy isan'jaton'ny vola azo avy amin’ny fitrandrahana an'ireny moa no hiditra amin’ny kitapom-bolam-panjakana? Firy no azon'ny kaominina misy ilay fitrandrahana? Tsy mangarahara mihitsy io fitrandrahana io eto aloha raha ny fahitako azy. Avy any ambony ny ohatra. Tsy mangarahara ny lohany dia manaraka an'izay koa ny aty ambany! Harem-pirenena mety lany ireny nefa ny risitorina tsy mazava. Manginy fotsiny ny mivoaka malalaka ny sisin-tany. Efa tsy lazaina intsony, efa iaraha-mahalala. Vahaolana ny fametrahana ny mangarahara. Aza afenina! Avoahay ho fantatry ny malagasy eny ifotony misy ireny harena ireny ny tombony ho azo, ny vokatry ny fitrandrahana eo amin'ny tontolo iainana sy ny rehetra, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap