airtel

Actualités

26-mars-2025

Tondra-darano sy loza miha mahery vaika isan-taona

Drafi-panajariana tanàna tsy misy, ny fisorohana tsy mahomby,…

Sample post image

Misy foana ny fahavaratra sy orana mikija, saingy tsapa sy tsikaritra ho mihamafy

26-mars-2025

hatrany isan-taona ny fiantraikany, tsy eto Antananarivo sy manodidina ihany fa saika manerana ny Nosy. 3 no maty ary 1 alina latsaka kely no traboina ho an’Antananarivo Atsimondrano. Efa tena efa hita taratra ny voka-dratsiny fahasimban’ny tontolo iainana satria miha kely ny ala izay mitazona ny nofon-tany sy mitroka ary mitazona ny rano. Miha mahery vaika noho izany ny fikaohan’ny riaka ny tany, ka tsy misy manivana sy mitazona ny rano, fa very fahatany ny rano, izay tena mampijaly indray rehefa fotoanan’ny main-tany satria na ireo toerana mitahiry azy ireny aza toy ny etsy Andranotapahana aza ritra sy maina tanteraka. Isika koa moa tsy mba misy tetikasa sy fijerena lavitra mikasika ny fametrahana toby fitehirizan-drano, izay adihevitra tany amin’ny 2018 ny resaka « dam » saingy tsy nifankahazo ny resaka ka « madama » no nandraisan’ilay kandida Filoham-pirenena tamin’izany izay lasa filoha ankehitriny azy. Fotoana ihany koa anefa izao tokony hijerena akaiky ny fampanarahan-dalàna, ny fanarahana ny fenitra sy fitsipika mikasika ny fanajariana ny tany,… Na tiana na tsy tiana mantsy, isan’ny fositra ihany koa ny tsy fisiana tsy fanajana ny drafi-panajariana ny tanàna, toy ny fanorenana trano sy fotodrafitrasa eny ambony lakandrano na manamorona ny renirano izay miteraka fahaterena ho an’ireny lakandrano sy lalan-drano ireny. Iaraha-mahita sy mahalala ihany koa ny fanotorana tsy ara-dalàna eto Antananarivo sy ny manodidina. Fositra rahateo ary saika iraisan’ireo kaominina anatin’ny distrikan’Antananarivo Renivohitra, Avaradrano, Atsimondrano, eny saika manerana ny Nosy ny tsy fananana drafi-panajariana ny tanàna mazava, ny fanorenana tsy ara-dalàna, kolikoly,... Niaiky ohatra omaly ny ben’ny tanànan’Ampitatafika Atoa Rado Raparaoelina izay hita tamin’ny haino aman-jery naneho, fa tsy nahazoana alalana ny ankamaroan’ny fanorenana eny amin’ny lakandrano toy ny moron’i Sisaony, izay misy andraikitra iraisana toy ny APIPA sy ny avy amin’ny Fanajariana ny tany. Misy 2015-015 mikasika ny fandrodanana, saingy mbola mampitahotra ny ben’ny tanàna. Tokony hohalalinina sy hojerena akaiky ao anatin’ilay « Projet Grand Tana » efa hatry ny ela ny resaka fanajariana ny tanàna sy ny tanàn-dehibe mba hifehezana ny fahavoazana goavana izay miha mahery vaika isan-taona. Mba mahavita ny tena asany ihany koa ve ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na BNGRC sa zary lasa miandry loza sy mpanisa maty sy traboina ary mpizara fanampiana ? Tena mahomby ve ny fisorohana sy ny fanatanterahana ilay hoe : mba tsy ho tampohin’ny loza ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

30-avril-2025

Nivoaka omaly 29 Aprily 2025 ny didim-pitsarana niampangana ny filohan’ny sendikan’ny paramedy, Rakotoarilison Armand.

Card image cap
30-avril-2025

Sarotra ny hilaza fa tsy nahitàna tombontsoa ny fiaraha-miasa teo amin’i Madagasikara sy Frantsa

Card image cap
30-avril-2025

Raha namoaka fanambarana ny mpitandro ny filaminana fa tsy misy hidiran’ny Base Toliara

Card image cap
30-avril-2025

Taorian’ny tsy fifankahazoana teo anivon’ireo mpivarotra sy ny ben’ny tanànan’Antehiroka,

Card image cap
30-avril-2025

Solontenan’i Madagasikara amin’ny Mondial du Pain faha-10 izay hatao any Nantes Frantsa

Card image cap
30-avril-2025

Ny lafiny ara-pahasalamana no tena olan’ny ankamaroan’ny Malagasy

Card image cap