airtel

Actualités

07-nov-2025

Tonga ny iraky ny Vondrona Afrikanina

Manameloka aloha vao hiresaka !

Sample post image

Nitady fanelanelanana angaha isika !

07-nov-2025

Tonga teto Antananarivo omaly 06 Novambra 2025 i Mohamed Idriss Farah, iraka manokan’ny Vondrona Afrikana ho an’i Madagasikara. Noraisin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Christine Razanamahasoa, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato izy. Ny tanjon’ity iraka ity, raha ny serasera, dia ny hanampy an’i Madagasikara hamerina ny fitoniana sy hanamafy ny fifampiresahana eo amin’ireo mpisehatra ara-politika samihafa eto amin’ny firenena. Raha hiverenana, tamin’ny 03 novambra 2025, no notendrena ho solontena manokana ho aty Madagasikara i Mohamed Idriss Farah, diplomaty za-draharaha avy any Djibouti, taorian’ny herinandro maromaro nisian’ny krizy politika. Raha ny tantara teto, nisy hetsika goavana nataon’ny tanora, naneho hatezerana amin’ny kolikoly, fitantanana tsy mahomby, ary olana ara-toekarena. Tao anatin’ny korontana, nandao ny firenena tamin’ny fiaramanidina miaramila frantsay ny Filoham-pirenena teo aloha Andry Rajoelina, ary nanambara avy any ivelany fa foana ny Antenimierampirenena. Taorian’izany, nijoro ny tafika notarihin’ny CAPSAT nanampy ny tolom-bahoaka, ary nanendry an’i Kolonely Michael Randrianirina ho Filoham-panjakana vonjimaika ny HCC, amin’ny tanjona hoe “hanavao” ny Repoblika. Andaniny, tamin’ny 15 Oktobra 2025, dia nampiato avy hatrany an’i Madagasikara tsy ho mpikambana ao aminy ny Vondrona Afrikanina. Nangataka fiverenana haingana amin’ny rafitra demokratika izy, ary nanapa-kevitra ny haniraka an’i Farah Idriss Farah mba hampihavana sy hampitony ny krizy amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ny fitondrana vonjimaika, tanora, fiarahamonim-pirenena, ary mpitondra teo aloha. Tena nijery sy nanadihady ny toe-draharaha teto Madagasikara ve ny Vondrona Afrikanina sa nihaino feon-dakolosy tokana? Tsiahivina fa isan’ny nanao antso avo teo imason’ireo Ambasadaoro tong amaro tetsy amin’ny HCC niantefa tamin’i Andry Rajoelina tsy hanao tatitra diso any ivelany ny Filohan’ny HCC Florent Rakotoarisoa. Nahoana no nampiato avy hatrany an’i Madagasikara tsy nanadihady aloha ny zava-nitranga marina ny Vondrona Afrikanina? Fanonganam-panjakana ve sa fitroaram-bahoaka nampian’ny tafi-bahoaka no nisy? Ara-drariny ve ny manameloka aloha vao miresaka? Ary tena nangataka izany fanelanelanan’ny Vondrona Afrikanina izany ve ny Malagasy? Na izany aza, isan'ny fanambin'ny Minisitry ny raharaham-bahiny sady lehiben'ny diplaomasia Malagasy moa ny hanao tolona ara-diplaomatika hanalana ny sazin'ny Vondrona Afrikanina, ka dia irariana ny hahatongavana amin'izany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap