airtel

Actualités

22-nov-2024

Tontolon’ny Fitsarana

Hapetraka ny vina stratejika 2035

Sample post image

Tanterahana ao Ampasanimalo mandritra ny 2 andro ny atrikasa nasionaly ho famolavolana ny

22-nov-2024

vina stratejikan’ny Fitsarana 2035 » an’ny Minisiteran’ny Fitsarana, andraisan'ireo mpiantsehatra rehetra amin'ny asam-pitsarana manerana ny nosy anjara, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray omaly. Io tetikasa io izay vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) amin'ny alalan'ny tetikasa PAJMA na « Projet d'Appui à la Justice à Madagascar ». Tanjona raha ny hananan’ny Ministera tahirin-kevitra stratejika maharitra ho an’ny folo taona ho avy, mifanaraka amin’ny toetr’andro ankehitriny, miverina ary mifototra amin’ny kolon-tsaina malagasy ary mamaly ny hetahetan’ny manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Voalaza fa entina hisarihana ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola hiara hiasa amin’ny Minisitera ihany koa io, ary hanampy amin’ny fanatrarana ireo fanamby ho apetraka, hamatsy ireo asa ho tanterahina ary handaminana sy handrindrana ny asan’izy ireo eto amin’ny firenena. Maro ireo dingana narahina ho fandrafetana io vina io : toy ny fizahana sy fandinihana ireo tahirin-kevitra samihafa momban’ny fitsarana, ny fihaonana amin’ireo manana andraikitra na manam-pahaizana manokana momban’ny fitsarana, ny fankan-kevitra nomerika ho an’ny mpiasan’ny fitsarana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny atrikasa “atelier de diagnostic organisationnel” ary ny atrikasa isam-paritany izay natao ho fandraisan’anjaran’ny rehetra sy hijerevana manokana ny mampiavaka ny faritany tsirairay avy eto Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap