airtel

Actualités

22-nov-2024

Tontolon’ny Fitsarana

Hapetraka ny vina stratejika 2035

Sample post image

Tanterahana ao Ampasanimalo mandritra ny 2 andro ny atrikasa nasionaly ho famolavolana ny

22-nov-2024

vina stratejikan’ny Fitsarana 2035 » an’ny Minisiteran’ny Fitsarana, andraisan'ireo mpiantsehatra rehetra amin'ny asam-pitsarana manerana ny nosy anjara, raha ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray omaly. Io tetikasa io izay vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) amin'ny alalan'ny tetikasa PAJMA na « Projet d'Appui à la Justice à Madagascar ». Tanjona raha ny hananan’ny Ministera tahirin-kevitra stratejika maharitra ho an’ny folo taona ho avy, mifanaraka amin’ny toetr’andro ankehitriny, miverina ary mifototra amin’ny kolon-tsaina malagasy ary mamaly ny hetahetan’ny manan-draharaha eo amin’ny fitsarana. Voalaza fa entina hisarihana ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola hiara hiasa amin’ny Minisitera ihany koa io, ary hanampy amin’ny fanatrarana ireo fanamby ho apetraka, hamatsy ireo asa ho tanterahina ary handaminana sy handrindrana ny asan’izy ireo eto amin’ny firenena. Maro ireo dingana narahina ho fandrafetana io vina io : toy ny fizahana sy fandinihana ireo tahirin-kevitra samihafa momban’ny fitsarana, ny fihaonana amin’ireo manana andraikitra na manam-pahaizana manokana momban’ny fitsarana, ny fankan-kevitra nomerika ho an’ny mpiasan’ny fitsarana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, ny atrikasa “atelier de diagnostic organisationnel” ary ny atrikasa isam-paritany izay natao ho fandraisan’anjaran’ny rehetra sy hijerevana manokana ny mampiavaka ny faritany tsirairay avy eto Madagasikara.
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap
29-avril-2026

Nobatain'ireo mpino Silamo nivoaka ny sekoly Jery ny Filohan'ny FSM

Card image cap
29-avril-2026

Nanaovana hetsika manokana ny tany Maintirano

Card image cap
29-avril-2026

Adihevitra tato ho ato ny

Card image cap
29-avril-2026

Hampiharina amin’ity taona ity ny tetikasa «Rahaka»

Card image cap