airtel

Actualités

22-nov-2024

Tontolon’ny fizahantany

Nampidi-bola 32 tapitrisa euros ho an’ny 2024

Sample post image

Nitombo ny fampidiram-bolan’i Madagasikara tamin’ny sehatry ny fizahantany ho an’ny taona 2024,

22-nov-2024

raha ny tatitry ny Minisitry ny fizahantany sy ny asa tànana omaly, tao anatin’ny fanokafana ny Tsenaben’ny fizahantany sy ny Asa tànana andiany faha-8 tetsy amin’ny Mahamasina. 32 tapitrisa Euros eo izany ho an’ity taona 2024 ity, raha toa ka 15 tapitrisa euros tany amin’ny taona 2021. Ny fanondranana asa tanana tany ivelany no nambara fa isan’ny tena nampiakatra azy io. 2,5 tapitrisa ny mpanao asa tanana eto Madagasikara ary tsy mitsaha-mitombo izany, izay ahitana sehatr’asa na ''filière'' 15. Nambara tao anatin’ny tatitra hatrany fa maherin'ny 35 tapitrisa Euro ny vola niditra tamin'ny tetibolam-panjakana avy tamin’ny fizahantany, ary asa mivantana maherin'ny 350 000 no ateraky ny fizahantany raha toa ka mihoatra ny 30 tapitrisa kosa ny asa tsy mivantana. Vinan'ny Ofisy Nasionaly misahana ny Fizahantany eto Madagasikara kosa ny hanatsarana ireo karazana tolotra momba ny fizahantany sy hanohanana ireo mpisehatra amin'ny asa tanana mba hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna. Anisan'ireo dingana nambara fa hirosoana amin'izany ny Tsenaben'ny Fizahantany andiany Faha-8 sy ny Tsenaben'ny Asa tanana andiany voalohany izay tanterahana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatramin’ny 23 novambra io. Tsara ny manamarika sy mampahatsiahy hatrany na izany aza, fa tena mbola lavitr’ezaka ny fanatsarana ny tontolon’ny fizahantany eto na ekena aza fa misy ny ezaka. Anisan’izany ny fotodrafitrasa, làlana, fandriampahalemana, fahamarinan-toerana sy antoka ara-pandraharahana, angovo sy herinaratra,… Tanjona 1000 000 mpizahantany isan-taona no apetrak’i Madagasikara saingy na ilay 500 000 nofaritana nandritra ny Fanjakana teo aloha aza mbola tsy tratra. Ny atsy amin’ny Nosy Maurice izay tsy lavitra antsika ary tena bitika aza anefa mahatratra 3 000 000 isan-taona. Midika fa tena mbola mila ezaka hatrany !
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap