airtel

Actualités

22-janv-2026

TRANOM-BOKIM-PIRENENA ANOSY

Hisokatra tontolo andro manomboka izao

Sample post image

Hisokatra mandritra ny tontolo andro

22-janv-2026

manomboka izao ny tranom-bokim-pirenena etsy Anosy. Hisy ihany koa ny toerana hahafahan'ireo.mpanoratra mampiranty ny voka-pikarohany sy ny asa tanany. Nivoitra izany nandritra ilay varavarana misokatra nokarakarain'ity ivon-toerana ity tetsy Anosy omaly Alarobia 19 Janoary. Taorian'ny fangatahana nataon'ireo mpisehatra maro samihafa no nandraisana ireo fanapahan-kevitra ireo raha araka ny fanazavan'ny Tale jeneralin'ny tranom-bokim-pirenena Atoa Noël Liva. Betsaka mantsy ireo olona tsy manam-potoana fa miasa nefa te hitsidika ao an-toerana. Mihidy amin'ny 12 ora atoandro anefa ity ivon-toerana ity téo aloha. Manampy trotraka izany ireo tsy mahalala akory ny zava-misy sy ny tena asan'ny tranom-bokim-pirenena. Notsiahiviny tale jeneralin'ny tranom-bokim-pirenena moa fa tsy boky ihany no hita sy misy ao amîn'izy ireo. Fantatra fa misy gazetim-panjakana sy voka-pikarohana maro lafy ihany koa ao amin'izy ireo.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nanatrika ny fanokafana sy nandray ireo mpianatra !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

Tsy anaty kitapombolam-panjakana ny fitakiana, tsy zo iny fa « prime » !»

Card image cap
22-mai-2026

Tsy tokony ho be kolikoly sy hamoritra vahoaka ny manamboninahitra »

Card image cap
22-mai-2026

hoy ny Filohan'ny Synad

Card image cap
22-mai-2026

ireo hisakafo ao amin’ny PHO Resto

Card image cap
22-mai-2026

Mirongatra ny halatra tany tsy

Card image cap
21-mai-2026

aza ny fitondràna!»

Card image cap