airtel

Actualités

26-mai-2025

Vadina direkitera saro-piaro tafahoatra

Tapitra antsoiny vehivavy anaty repertoirem-badiny

Sample post image

Mafy ny mahazo ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra mianatra amina sekoly

26-mai-2025

tsy miankina iray ao Toamasina ao. Toraka izany koa ireo mpianatra vehivavy. Diso saro-piaro loatra mantsy ny vadin’ny direktera ka tapitra antsoiny amin’ny finday avokoa ireo vehivavy hitany anaty repertoire-m-badiny, raha araka ny vaovao azo. Velon-taraina iretsy voalohany noho izany. Manampy trotraka izany ny fanontaniana hapetrany toy ny hoe : hataonare inona ny vadiko ? Amin’ny maha-mpanabe ny vadiny anefa dia tsy maintsy mifanerasera amin’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra sy ny mpianatra ity farany hahafahana mamaha ny olan’ny ankizy. Anisan’izany ny tsy fahavitana devoara, ny olana mety mahazo ilay mpianatra, ….Tsiahivina moa fa Ramatoa iray tao Toamasina tao ihany koa ny mahavita miambina ireo vehivavy mandalo manoloana ny tranony ka mijerijery any an-tokontaniny. Heveriny ho manadala am-badiny avokoa mantsy izay rehetra manao fihetsika hafahafa ka hataony mahita faisana. Nambaran’ny psikology iray fa lasa aretin-tsaina ny hasarotam-piaro diso toerana tahaka izany ho an’ny sasany indraindray. Lasa mivadika ho herisetra hatao aman’olona sy ilay vady indray mantsy izany rehefa tsy voafehy ka ilana fitandremana.
Pati
Legende : Mijaly ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly tsy miankina iray ity ! 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap