airtel

Actualités

22-sept-2025

Vahoaka leo delestazy

Nangotraka ny grevy teny Sabotsy Namehana sy Ankadikely

Sample post image

Raha ny alakambisy 25 septambra izao no fotoana nomen’ireo

22-sept-2025

mpitarika eto Antananarivo hanaovana hetsika eny Ambohijatovo hitakiana ny famahana ny delestazy, dia efa nanomboka nangotraka ny teny Antananarivo Avaradrano ny faran’ny herinandro teo. Nihetsika ny vahoaka tetsy Ankadikely Ilafy ny takarivan’ny sabotsy teo, nidina an-dalambe, nandoro kodiarana, naneho ny fahatezerany sy manaitra ny Fanjakana. Omaly alahasy, nitohy teny Sabotsy Namehana ny hetsika. Teo anoloan’ny distrika mihitsy no nanehoan’ny vahoaka ny fahatezerany. Grevy be, tena tabataba sy horakoraka be nanehoana ny tsy fahafaliana amin’ny resaka jirama no nataon’ny vahoaka teny Sabotsy Namehana. Doro kodiarana be tena ampovoan-dalana ka tsy nisy afaka mandeha ny fiara rehetra omaly takariva nanomboka tamin’ny 7ora.Tsy nisy afaka mandeha ny fiara fa niverina daholo. Very tao daholo izay rehetra nandeha fiara fitateram-bahoaka mihazo an’i Lazaina sy iny Avaradrano iny. Hatramin’ny « ambulance » tsy nomen’ny olona lalana. Nohorakorahin’ny vahoaka ny mpitandro filaminana tonga teo hoe : mbola tsy hiaraka amin’ny vahoaka ihany ve inareo fa hanao inona aty? Ny jiro any an-tokantrano tapaka, ny làlana tapaka, samy nijaikojaiko nitady ny làlana nody, ny finday tsy dia azo narehitra sao hisy hanaraoraotra eny an-dalana,… Izany no endrika anehoan’ny vahoaka ny fahasosorany, ary tsy misy resaka mpitarika fa tena manira-tena ny olona maneho ny fahatezerany. Efa nisy ny teny Imeritsiatosika, nitohy teny Avaradrano,… ka asa mbola ny emmo-reg ve no hampitomboina bebe kokoa mba handrava grevy sa ny olana no ravana. Nanao serasera ny Minisitry ny angovo sy akoran’afo Atoa Olivier Jean Baptiste fa efa miasa sy mamaha olana ny Fanjakana fa moa vao izao ve ny mpitondra no niresaka sy nanao serasera poakaty fa tsy mahavaha olana ? Fitanisana olana anefa no betsaka toy ny resaka rano ka mampihena ny famokarana saingy efa « diska goaka » ary tsy vao izao no nisy lohataona ! Firifiry ireo lainga tsy tanteraka nataon’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina mikasika ny hoe : hivaha ny delestazy, tsy hisy intsony anatin’ny ora fiasana, afaka 6-8 volana, tsy tokony hisy intsony amin’ny herintaona, ho avy ny parcs solaires ho an’ny toerana 48,… Mandrak’ity ny androany tsy misy vahaolana. Ny olom-panjakana sasany milaza fa tsy mitovy ny 2016 sy 2025 fa ny mpitondra tamin’izany tsy namaha olana. Fa iza no nanao ny Parc solaire tetsy Ambatolampy ? Fa tamin’ny andron’iza no nanomboka ny fampidirana ireo Groupes maro be,… ? Raha nohenjehina ho tsy nahavita ny tamin’izany, nahoana no tsy nanao mba hahomby kokoa ny Fanjakana Rajoelina ? Moa tsy vao mainka zava-doza noho ny tamin’izany ny amin’izao ? Izao ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso !?
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap