airtel

Actualités

18-mars-2026

Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina

Nanolotra 200 000 dolara teny amin’ny

Sample post image

BNGRC hanonana ny traboina

18-mars-2026

Tonga nanolotra lelavola 200 000 dolara na manodidina ny 900 000 000Ar eo ho eo amin’ny vola Malagasy teny amin’ny Foiben’ny Biraom-pirenena misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC ny Kaomisionin’ny Vondrona Afrikanina. Fandraisana anjara entina hanampiana ireo mponina traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izay nandrava an’i Toamasina. « Fantatray fa lavitra dia lavitra amin’ny filàna andrasana, tsy afaka mamaly ny filàna rehetra izahay, fa manohana ny ezaka mitohy sy maneho ny firaisankina avy amin’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina sy ireo Firenena Mikambana. », hoy Rtoa Sarah Naigaga iraka avy amin’ny Vondrona Afrikanina . Ny governemanta amin’ny alalan’ny BNGRC no handray fanapahan-kevitra miompana amin’ny filàna eny ifotony entina hampiasana ity fanampiana ity. Nanamafy ny Tale Jeneralin’ny BNGRC Jeneraly Ramanantsoa Gabriel, fa entina hanampiana ireo traboina izay niharan’ny takaitra navelan’i Gezani izy. « Mahazo matoky isika fa ho tonga ary hotantanana amin’ny mangaraharaha, hipaka any amin’ireo olona tandrify azy io vola io. Havoaka ohatran’ny tatitra rehefa nataon’ny BNGRC ny fitantanana azy io. », hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny BNGRC.
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

kolikoly amin'ny fampianarana

Card image cap