airtel

Actualités

16-mars-2021

Actualités

Vehivavy Malagasy nalevina toy ny biby Tena tsy misy azon’ny Fanjakana atao ve ?

Tsy finiavana hamoha fota-mandry eo anatrehan’ny sary sy horonantsary naneho ny fomba nandevenana ny vehivavy Malagasy

16-mars-2021

 iray maty tany Arabie Saoudite, izay tena niteraka resabe nanomboka ny sabotsy teo, fa tena sady mampalahelo no mahatezitra. Efa tany amin’ny volana septambra 2020 izy no voalaza fa namoy ny ainy. Misy ny milaza fa tsy nanana taratasy izy satria nitsoaka tao amin’ny mpampiasa, ary tratry ny polisy, ka nitsambikina teny aminn’ny rihana faharoa. Voalaza fa nitady izay fomba ahafahana mampody azy ny fianankaviany, saingy tsy tanteraka. Nanapa-kevitra handevina azy kosa ny Fanjakana Saodianina taorian’ny 6 volana. Avy any Sambava izy io, ary manana zanaka iray, raha ny fanazavana. Sanatrian’ny vava natao tahaka ny nandevina biby fa tena niendrika fanitsakitsahana ny maha olona “maltraitance”, ary iny no tena nahatezitra ny maro. Nandavahana lavaka ary nototofana tany tamin’ny alalan’ireny « bulldozer ». Nisy vehivavy teratany Malagasy roa voalaza fa nanatrika izany, ary hiakiaka sy tomany no mandrakotra ny horonantsary, ankoatra ny fomba mahaontsa sy mahavaky fo tamin’ny fandevenana azy io. Tsy afaka miditra an-tsehatra amin’ny zavatra tahaka ireny ve ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, Minisiteran’ny Mponina,… ? Tokony hisy Kaonsilà Malagasy ihany koa any an-toerana ka tsy nahalala na inona na inona ve sa tsy misy? Teratany Malagasy no lasibatra, ka ny Fanjakana Malagasy mihitsy no tokony hijoro eo anatrehan’ny toe-javatra manitsakitsaka ny maha olombelona tahaka izao. Tsy vao izao no nisy teratany Malagasy lasibatra na maty na mitondra takaitra. Efa maro ny nampodiana, fa mbola maro ihany koa no mandeha satria ny fitadiavana mahazaka maniraka. Na inona na inona endrika isehoany, dia anjaran’ny Fanjakana Malagasy ny miaro ny terataniny na aiza na aiza. Ahoana ihany koa ny momba ireo “Agence” mety nanao ny fifanarahana tamin’ny fandefasana ireo olona lasibatra ?

 Toky R

Dans la même rubrique

08-mai-2024

ny fifidianana solombavambahoaka isika manomboka anio.

Card image cap
08-mai-2024

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera omaly ny horonantsary sy resaka naneho raim-pianankaviana antsoina hoe R….

Card image cap
08-mai-2024

Olona am-polony no naiditra am-ponja vonjimaika any Maroantsetra noho ny resaka lavanila,

Card image cap
08-mai-2024

Nahazo vahana tato ho ato ireo olona na andian'olona mampiasa kaonty sandoka (compte fake)

Card image cap
08-mai-2024

Iray volana mahery eo ho eo sisa dia hiditra tanteraka ao anatin’ny vakansy

Card image cap
08-mai-2024

Sambo Sri-lankais miisa roa no fantatra fa nanjono an-tsokosoko taty amin’ny

Card image cap