airtel

Actualités

11-mars-2025

VEHIVAVY MPIASAN’NY ORINASA STAR

Nijery ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza…

Sample post image

Tsy nandalo fotsiny ny datin’ny 08 Martsa nentina nanamarihana ny andro iraisam-pirenena

11-mars-2025

ho an’ny Zon’ny Vehivavy ho an’ireo vehivavy mpiara-miasa eo anivon’ny Star. Vehivavy miisa 133 avy amin’ity orinasa ity manerana an’i Madagasikara no nanatanteraka izany. Ankoatra ny fambolen-kazo tany amin’ireo Akany fitaizana zaza dia nizara fitaovam-pianarana teny amin’ireo sekoly eny ifotony ihany koa izy ireo. Mikasika ny lafiny ara-pahasalamana manokana dia nomen-danja ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Tonga nanolotra « concentrateurs d’oxygène » sy fitaovana fikarakarana ho an’ny tera-bao teny amin’ny sampan-draharaha misahana ny fiterahana sy ny fitsaboana zaza izy ireo. Nisy ihany koa ny fanolorana fandriana sy kidoro mitentina 18 tapitrisa Ariary ho an’ny CHU Antsiranana. Notsarovan’izy ireo manokana ihany koa ireo vehivavy voatazona any an-tranomaizina izay notoloran’izy ireo kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro. Tsiahivina moa ho an’ny oronasa Star fa mitovy ny fandraisana sy fikararana ny lehilahy sy ny vehivavy. Ireo lehilahy sy vehivavy misahana asa sy andraikitra mitovy dia mandray karama mitovy ary tsy misy ny asa natokana ho an’ny lehilahy na dia ilàna fahaizana ara-teknina sy tanjaka ara-batana aza. Vehivavy dimy ihany koa no Tale eo anivon’ny STAR ka ny 2 amin’izy ireo dia mpikambana ao amin’ny Komity Mpitantana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana fanampiana ho an’ireo vehivavy vao tera-bao !

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap