airtel

Actualités

06-févr-2025

Vidin-tsolika tokony hidina hatrany…

Omanina ny sain’ny Gasy fa hiakatra, lalaovina ny fidinana 100 sy 200Ar…

Sample post image

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

06-févr-2025

hifanaraka amin'ny sandany eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Raha 5.700 Ar/l ny lasantsy teo aloha, dia nihena ho 5.500 Ar/L izany ankehitriny, izay nisy fidinany 200Ar isaky ny litatra. Hisy lanjany sy akony amin’ny vidim-piainana ve ? Tsy dia mampino ! Niverina niakatra ny gazoala ka raha 4.760 Ar/L teo aloha dia lasa 4.890Ar/L, izany hoe niverina amin’ilay 4900Ar teo aloha, taorian’ny fidinana kely ny 18 janoary teo nanaovana serasera nipoapopaka nilazana fa nahomby ny ezaka nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ny solika fandrehitra (pétrole) kosa dia lasa 2.630Ar/L raha 2.430Ar/L teo aloha. Manamafy ny Fanjakana fa fampiharana ny rafitra "Ajustement automatique des prix à la pompe" izao fiovaovan'ny vidin-tsolika izao, ka nilazan’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa Olivier Jean Baptiste, fa mila mizatra izany fiovaovana izany isika eto Madagasikara, manaraka ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Tafiditra amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ao anatin'ireo fandaharan'asa fampandrosoana " Facilité Elargie de Crédit" (FEC) sy ny " Facilité pour la Résilience et la Durabilité" (FRD). Miezaka milalao sy mamboatra saim-bahoaka amin’izay mety hitranga ny Fanjakana, ka toa mampanahy hatrany ny hoe : fampitonitoniana mandalo ny fidinany, saingy te haneho fa tsy miankina aminy irery ka tokony hizatra. Tafiditra tamin’ny politika nananganana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) ny novambra 2019 ny fanafarana solika izay nilazana fa mba hisorohana ny fakana tombony mihoampampana noho ny dingana maro samihafa miainga amin’ny mpanafatra, mpaninjara,... Tena nilana an’io ny solika na ny ampiasain’ny vahoaka na ny ho an’ny Jirama fa aiza izany izao ? Tsy sahy niatrika sy nifaninana tamin’ireo « pétroliers » ? Tsy nisy vola, nilalao saim-bahoaka, nampanantena poakaty…
TOKONY HIDINA HO AN’NY 2025…
Ny febroary 2024 tahaka izao, 83,5 dolara ny barila, niakatra 4,3% raha oharina amin’ny volana teo alohany. Ny volana mey 2024: nanomboka nihena ny vidiny noho ny fihenan’ny tinady tany Sina sy ny firoron’ny toekarena eran-tany. Ny desambra 2024 : nidina ho 73,8 dolara, fa nifanaraka tamin’izany ve ny teto na ekena aza fa nisy fidinany kely ny janoary sy febroary 2025 izao? 80 dolara isaky ny barila ny salan'isa ho an’ny 2024. Manodidina ny 75,40 dolara ny vidin’ny solika Brent amin’izao (5 Febroary 2025), izany hoe : latsaka 8% amin’ny tamin’ny febroary 2028. Hihena ve ary ve ny eto amin’ny volana manaraka ? Tombanan’ny Banky goavana JP Morgan mandinika ny tsenan’ny solika ho 73 dolara ny salan’isa ho an’ny 2025, raha 76 dolara kosa no vinavinan’ny Banky Amerikanina Goldman Sachs. Miankina amin’ny tolotra sy tinady, ny krizy ara-politika sy ara-jeopolitika maneran-tany, ary ny politikan’ny OPEP+ momba ny famokarana solika anefa ny vidin-tsolika. Matetika, tsy dia mifanalavitra loatra amin’ireo vinavina na izany aza. Ankehitriny, nangingina kokoa ny ady any Ukraine, niha nalefaka ny fifandonana any amin’ny Moyen Orient,… Asa izay ho fiovana, fa tokony ho latsaka be ny vidin-tsolika amin’ity taona ity raha ny lojikan’izay ka hanaraka izany ve ary ny eto Madagasikara sa hitohy ny filalaovana saim-bahoaka amin’ny 100 sy 200Ar?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap