airtel

Actualités

10-mars-2026

VOATAFIKA NY AKANY

AVOKO FARAVOHITRA

Sample post image

Lasan'ireo jiolahy hatramin'ny tafon'ny WC

10-mars-2026

Notafihin'ny jiolahy ny ivon-toerana Akany Avoko fitaizana sy fanabeazana zaza nania etsy Faravohitra. Ny alin'ny Alahady 08 Martsa nifoha omaly Alatsinainy 09 Martsa no nitran'izany hoy ny vaovao. Mora tamin'ireo jiolahy tokoa no niditra tao amin'ny Faritry ny Akany noho ny tsy fisian'ny tamboho raha ny fanazavan'ny tompon'andraikitry ny Akany. Nisy ny entana lasan'ireo olon-dratsy vokatr'izany ka anisany ny varavaran'ny WC an'ny ankizy sy ny varavaran'ny vavahadin'ny tohatra iray. Voalaza fa tonga ara-potoana ihany ny mpitandro ny filaminana nandritra ity fanafihan-jiolahy ity. Efa henjana anefa ireo mpanao ratsy. Miantso ireo malala-tànana sy izay tompon'andraikitra tsara sitrapo afaka manome fanitso na hazo hanamboarana tamboho vonjimaika ny eo anivon'ny Akany Avoko Faravohitra noho izany. Mangataka mpitandro ny filaminana avy amin' ny Fitondrana ihany koa izy ireo hiaro ny ankizy.
Nangonin'i Pati
Légende : Tahaka izao sisa no nihafaran'ny trano fivoahana !
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap
27-juil-2026

Miroso amin'ny fanavaozana lehibe

Card image cap
27-juil-2026

Karohan'ny Polisim-pirenena eo

Card image cap
27-juil-2026

Mitohy hatrany ny halatra taribin'ny

Card image cap