airtel

Actualités

23-oct-2024

Voatery mampiasa «groupe» ireo orinasa

1,5 litatra isaky ny adin’ny iray ny solika lany amin’ny delestazy

Sample post image

Voatery mampiasa solona herinaratra na «groupe électrogène», «groupe» hoy ny filazan’ny olona mahazatra azy,

23-oct-2024

amin’izao fotoana izao hatramin’ny orinasa madinika toa ireo misehatra amin’ny endrika amam-bika na «salon de beauté» sy ireo mikirakira tekinolojia amin’ny fifandraisan-davitra na «cybercafé». Tsy maintsy ahodina ny orinasa, hoy ny fanazavan’ireo tomponandraikitra tamin’ireo orinasa nanaovana fanadihadiana teto Antananarivo renivohitra. Mitentina 7.200.000 Ariary eo ny vidina «groupe électrogène» iray mahasehaka ny filàna anatin’itony karazana orinasa madinika itony ary 1,5 litatra isaky ny adin’ny iray kosa ny solika lany amin’ny fotoanan’ny delestazy na fahatapahan’ny herinaratra lavareny voatery tsy maintsy hampiasana izany. 6 litatra izany no lany raha toa ka maharitra adin’ny 4 fotsiny ny delestazy ao anatin’ny andro iray. Mitaraina ho misedra fahasahiranana, noho izany, ireo mpandraharaha madinika manoloana ny fandaniana tsy maintsy atao nefa ny tolotra ho an’ny mpanjifa tsy tokony ovaina ny kalitaony. Ny sarany alaina amin’izy ireo ihany koa tsy afaka ampitomboina intsony satria iaraha-mahalala ny fahasarotan’ny fiainana amin’izao fotoana izao. Ahiana hitombo koa etsy ankilan’izay ny tsy fisian’ny asa sy tsy fananan’asa manoloana ity olan’ny herinaratra sy rano ity satria ankoatran’izay dia iaraha-mahalala fa misy amin’ireo orinasa koa no tsy manana izay fahafahana hampiasa solona herinaratra izay. Eo ireo mpanety fa eo koa ireo mpivarotra sakafo ilàna vata fampangatsiahana isan-karazany, izay, mazava ho azy, mila herinaratra ihany koa. Milaza moa ireo mpandraharaha madinika sasany fa tsy maintsy hisy ihany ny fampiatoana tekinika amin’ny sasany amin’ireo mpiasa, raha izao no mitohy.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap