airtel

Actualités

24-mars-2025

Vokatry ny rivodoza Jude tany Atsimo

Tafakatra 5 no maty, 1 hetsy mahery traboina

Sample post image

Niteraka fahapotehana lehibe sy famoizana ain’aina tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara

24-mars-2025

ny fandalovan’ny rivo-doza Jude. Araka ny tatitra ofisialy, hatramin’ny sabotsy 22 martsa 2025 tamin’ny 4ora sy sasany hariva, dia tafakatra 5 no namoy ny ainy, ka nahitana tranga tany Ambovombe (1), Taolagnaro (3), ary Befotaka (1). Mariky ny hamafin’ity voina ity sy ny faharefoan’ny mponina manoloana ny loza voajanahary izany. Efa voamarina ihany koa fa 6 no naratra, izay iray tany Ambovombe ary dimy tany Amboasary Atsimo. Soa ihany fa tsy nisy olona nanjavona. Ankoatra ireo namoy ny ainy, dia 106 372 na manodidina ny 25 000 tokantrano no traboina sy voa mafy, izay miaina ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka. Ireto avy ireo faritra tena lasibatra: Atsimo Andrefana : Olona 77 788 voakasik’izany ; Androy : 20 827 ; Anosy : 6 829 ; Atsimo Atsinanana : 928. Noho ny fahavoazana, olona 20 967 no tsy maintsy nafindra amin’ny toerana fiarovana miisa 68, ka 18 253 amin’ireo dia ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Momba ny fahasimbana goavana ara-materialy : mahatratra 5 596 ny trano dibo-drano, 6 823 trano nisy fahasimbana, 13 690 kosa ny trano rava tanteraka. Ny sehatry ny fanabeazana ihany koa koa dia tena voadona mafy: 693 efitrano fianarana no rava tanteraka, ka manohintohina ny fianaran’ny ankizy maro. Manoloana izao zava-misy izao, dia tena ilaina maika ny fanampiana ara-tsakafo, rano fisotro madio, ary fitaovana fanarenana ho an’ireo traboina, na ekena aza fa efa misy ny hetsika ataon’ireo manam-pahefana sasany sy fikambanana mpanampy mba hanome tohana haingana ho an’ny mponina voa. Tokony ho mailo hatrany amin’ny fiparitahan’ny aretina sy hanaraka ny toromarika ara-pahasalamana, indrindra amin’ny fahazoana rano fisotro sy sakafo azo antoka ny mponina.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap