airtel

Actualités

07-nov-2024

Volamenan’i Madagasikara

Hapetraky ny BFM amin’ny banky any ivelany izay voadio

Sample post image

Nanapa-kevitra ny hitazona ny taha amin’ny "facilités permanentes" ho tsy miova, izany hoe 9,50 %

07-nov-2024

ho an’ny taha amin’ny « facilité de dépôt » ary 11,50 % ho an’ny taha amin’ny « facilité de prêt marginal » ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) ny talata 05 novambra, izay nanaovana ny tatitra ny politika ara-bola tao anatin’ny 3 volana. Voalaza fa tsy nampiova zavatra firy tamin’ny toekarena ny fanapahan-kevitra noraisina tany amin’ny volana aogositra nampiakatra an’ireo taha ireo, teo anatrehan’ny sondro-bidim-piainana izay manodidina ny 7,8% teo. Manampy trotraka, nanomboka ny faran'ny volana septambra 2024, dia nisy fihenam-bidy 0,5 % teo ny Ariary mitaha amin'ny dolara amerikana ary 4,7 % teo mitaha amin’ny Euro.Mbola tsy dia tena mandeha araka ny tokony ho izy ny toekarena. Miadana ny fiodin’ny toekarena amin’ny ankampobeny. Raha jerena ny vidin-javatra eny an-tsena dia hita fa mbola mitombo sy mihalafo ny vidim-piainana, kanefa 3 volana lasa izay dia efa nampiakatra ny taha amin’ny « facilité permanant » ka tokony hisy fiantraikany amin’ny fihenan’ny vidim-piainana, saingy tsy hita eo noho eo, fa tsy maintsy miandry volana maro, raha ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Banky Foibe Atoa Aivo Andrianarivelo . Naneho moa io rafitra ara-bola io, fa tokony hisy ny ezaka avy amin’ny Fanjakana amin’ny fampiasam-bola miteraka harena, fanafainganana ny tetikasa fampiasam-bola, fanafainganana ny fandoavana ny vola eo amin’ny orinasa manao ny asam-panjakana hahatonga an’ireo orinasa havitrika,… Nanaitra ihany koa ny nilazan’ny Banky Foibe fa apetraka any amin’ny banky any ivelany ireo volamena efa voadio, izay avadika ho « or monétaire » hahafahana manamarin-toerana ny Ariary. Eo amin’ny tsenan’ny volamena no hovarotana ireo volamena izay havadika ho dolara. Eo amin’ny 4% ihany no tokony ho farany ambony amin’ny « or monétaire » izay tokony ho 8 taonina any ho any, kanefa 1 taonina no ananantsika izany hoe ao anatin’ilay 2 977 000 dolara, dia ny 1 taonina amin’ny volamena eo amin’ny 74 tapitrisa dolara, dia mbola kely, raha ny fanazavana. Tsy maintsy hapetraka ao amin’ny Banky Foibe, 1 taonina no hitan’ny rehetra, fa ny ambiny izany hoe : 7 taonina dia sary no azo alefa fa antsika ihany, fa mipetraka amin’ny banky any ivelany, ary rehefa apetraka any dia azo amidy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ary mandray an’ilay dolara, ary iny indray no amidy amin’ny tsenan’ny fifanakalozana vola eto, hoy ny Banky Foiben’i Madagasikara. Mety fomba fanao sy politika ara-toekarena efa mahazatra izany any ivelany, saingy mipetraka hatrany ny ahiahy hoe : ho azo antoka ve eo anatrehan’ny fitantanana maloto sy kolikoly manjaka eto amin’ny Firenena. Volamena any anaty biraom-panjakana aza mantsy manjavona mivadika korotam-by !
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary

Card image cap
06-déc-2024

Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot

Card image cap
05-déc-2024

Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.

Card image cap
05-déc-2024

Maro ireo mpanara-baovao no tsy nanampo fa mbola hisy rotsak’orana ihany teto Antananarivo renivohitra ny 3 desambra teo.

Card image cap
05-déc-2024

Hita tao anaty rano teny Namontana afak’omaly Talata 03 Desambra toerana nahaverezany ihany ny vatana

Card image cap
05-déc-2024

Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina

Card image cap