airtel

Actualités

03-août-2026

VOVONAN'NY

RAIAMANDRENIN'NY FOKO 22

Sample post image

Hiara-dalana amin'ny taom-baovao

03-août-2026

iraisan'ny Malagasy ny fihaonambe
Hotanterahina ny datin'ny 14 ka hatramin'ny 18 Septembra ho avy izao any Morondava, Faritra Menabe ny Fihaonam-ben'ny Vovonan'ny Raiamandrenin'ny foko 22 hotarihin'ireo Staff avy na ireo mpiara-miasa aminy akaiky. Hifanindry an-dalana amin'ny fankalazana ny taom-baovao iraisan'ny Malagasy rehetra izany. Hivoitra mandritra io fihaonana io raha araka ny fanazavan'ny Filohan'ny tranoben'Imerina Randrianatoandro Robert ny dinika momba ny fanatsarana sy fampiroboroboana ny fampiainana ny Malagasy ny soa toavina sy ny kolontsaina mba hahazoana mampandroso amin'ny fivoarana ny fiainan'ny Malagasy manontolo ara-kolontsaina. Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fikarakarana amin'izao fotoana izao. Mandray anjara feno amin'izany ireo Raiamandreny tompon'andraikitra rehetra ao amin'ny tranoben'Imerina Ambohimanga Rova. Tafiditra ao anatin'ny tolo-kevitra sy dinika ho entin'izy ireo ny fandriampahalemana eto amin'ny firenena, ny soa toavina, ny fandriampahalemana mahakasika ny kolontsaim-pirenena sy ny fiaraha-monin'ny olombelona avy amin'ny foko 22 izay tompon'ny tany sy ny fanjakana.
Pati
Légende : Hiara-dalana amin'ny Staff -ny tahaka izao ny eo anivon'ny tranoben'Imerina Ambohimanga Rova !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap