airtel

Actualités

13-juil-2023

Actualités

Zava-doza ao Toliara 12 taona no zandriny indrindra amin’ireo mpivaro-tena

Sample post image

Miha mahazo vahana ny asa fivarotan-tena ao Toliara ao. Raha araka ny vaovao azo dia 12 taona no zandriny indrindra amin’izany raha misy efa mihoatra ny 50 taona no zokiny indrindra.

13-juil-2023

Saika ahitana azy ireny avokoa rehefa mety elakelan-trano any an-toerana hoy ny vaovao. 3.000 Ar no maka mora indrindra maka vehivavy mpivaro-tena iray raha 10.000 Ar no lafolafo ho an’ireo efa miakatra amin’ny sokajy somary ambonimbony. Raha araka ny fanadihadiana natao dia noho ny fahasahiranan’ireo vehivavy any an-toerana no tena manosika azy ireo hivaro-tena. Ao ireo tsy afaka mandia ny varavaran-tsekoly intsony noho ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReniny ka lasa mivary lavo any amin’ny asa fivarotan-tena mba hahazoam-bola ankoatra ireo efa tokony hiasa nefa tsy mahita izany ka lasa manaotao foana. Ahiana mafy ny mety hiparitahan’ny otrik’aretina VIH SIDA any an-toerana noho izany. Saika tsy misy manao fiarovantena rahateo ireo mpivarotena ao Toliara hoy ny vaovao fa mandeha amin’izao fotsiny. Tsiahivina moa fa misy amin’ireo mpivaro-tena ao Toliara no mampiasa fanafody gasy ka manjavona ny fivaviany rehefa tonga any amin’ny sambra hoy hatrany ny vaovao. Lehilahy maro no efa lasibatra noho izany.
Pati
(sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Maty tao Manga Milahatse, fokontany Antanandava,

Card image cap
20-mai-2025

Ny 30 aprily no nampahafantarina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny

Card image cap
20-mai-2025

Hitombo ary hihatsara ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra eo anivon’ny

Card image cap
20-mai-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taona nijoroany ny

Card image cap
20-mai-2025

Misy ny didim-pitsaràna mikasika ny fifanolanana ara-tany eo amin’ny orinasa

Card image cap
19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap