21-juil-2021
Hanamarika ny faran’ity herinandro ity eo amin’ny lafiny politika ny hisian’ny fikaonan-dohan’ny mpanohitra ho an’ny rantsana RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana
Hamaky ny tohinyAzo lazaina ho mahay politika, mahay maka fahefana, mahay mametsifetsy vahoaka,… ny fitondrana ankehitriny. Tsy mahay sy very lavitra kosa any amin’ny fitondrana firenena na azy daholo aza
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Raikitra indray ny sakoroka tany amin’ny Karieran’Andilana Avaratra any amin’ny Distrikan’Amparafaravola ny alatsinainy 19 jolay lasa teo.
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Mamboly vary aho izao, hoy ny filohan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC, Lita Rabenintsara, tamin’ny antso an-tariby natao taminy. Vao nijinja vary aho ny volana jona, hoy izy.
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Tratra teny amin’ny faritra 67ha iny ny andian-jatovo miisa efatra mpanendaka eny amin’ny lalam-baovao Boulevard de l’Europe Ankasina. Voakasik’izany avokoa ireo mpandeha an-tongotra eny amin’ny Madinox, lavage Ankasina
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Nanambara ny handaozany Klioba Bulgare PFC Ludogorets Razgrad i Abel Anicet Andrianantenaina kapitenin’ny Barean’i Madagasikara.
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Manery ny Fitondrana Rajoelina hiroso amin’ny fisokafana ara-politika ny tsindry misy amin’izao fotoana izao. Ekena fa lany tamin’ny fifidianana ny Filoha Rajoelina sy ny tariny,
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Tao anatin’ny 4 volana nisesy, ankoatry ny tao aorian’ilay “operation vidin’entana” izay tsy nahomby niarahana tamin’ny minisitera tompon’andraikitra dia mbola gaga sy talanjona izahay
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Nankalaza ny fetin’ny sorona na ny Eid Al Adha izay nomarihina omaly Talata 20 Jolay ny Association Musulmane Ahmadiyya de Madagascar etsy Anatihazo Andavamamba tarihin’ny misionera an-tsitrapo Ahmed Mudassir.
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
Ny 15 jolay 2021 lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro no tonga nanao fampahafantarana ny zandarimaria ao amin’ny Borigadin’i Miarinarivo ny lehilahy iray mponina ao amin’ny Fokontany Antsahalava Kaominina Ambanivohitr’I Soamahamanina,
Hamaky ny tohiny
21-juil-2021
07-janv-2021 00:00
Raharaha Volamena 73,7 kg: Araka tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra dia tsy maintsy atao ny fomba rehetra hamerenana ilay volamena milanja 73,7kg nakany ivelany ao amin` ny banky foibe eto Madagasikara. Hisy ny fifandraisana sy fiaraha-miasa amin’ny lafiny rehetra amin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo.07-janv-2021 01:00
PAC: Nampiakatra ny raharaha fanondrana volamena eny eny anivon’ny PAC na ny Pôle Anti-Corruption ny Fanjakana Malagasy. Hohenjehina ary hiharan’ny sazy ireo rehetra izay mikasa ny hanelanelana na hisakantsakana amin’ny fanatanterarahana izany fampodiana azy ireo izany eto an-tanindrazana. Tsy maintsy hampiharina ny lalàna, hoy ny fampitam-baovao.07-janv-2021 02:00
Harena azo amin`ny tsy ara-drariny: Hijoro tsy ho ela ny « agence de recouvrement des avoirs illicites » araka ny efa voafaritra ao anaty didy hitsivolana mikasika izany.07-janv-2021 03:00
Rivodoza: Hisy mpamatsy vola vonona handoa ny saram-piantohana tsy maintsy aloa amin’ny ARC mba hiantohana izay mety ho vokatry ny rivodoza 2020-2021 ho fanampiana ny Fanjakana Malagasy raha misy ny loza. Nampahafantarin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny faneken’ny KFW, izay mpamatsy vola avy amin’ny Governemanta alemana, ny fandraisana an-tanana izany saram-piantohana izany izay mitentina 2 tapitrisa dolara.07-janv-2021 04:00
OTIV BOENY: Araka ny tapaka teo anivon` ny filankevitry ny minisitra omaly dia ny fanjakana amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy no hanampy amin’ny famerenana amin’ny ampahany ny tahirim-bola napetrak’ireo mpikambana voafitaka tao anatin’ny fampindramam-bola madinika OTIV BOENY. Tsy maintsy mamerina ny vola nahodiny ireo rehetra mpitantana sy mpiasa voarohirohy tamin’izany ary hotohizana ny fanenjehana azy ireo araka izay voafaritry ny làlana.07-janv-2021 06:00
Fitakian’ny ENS : Omaly alarobia, nidinan’ny mpianatra an-dalambe niaraka tamin’ny sorabaventy ihany, dia navotsotra ireo telo lahy voasambotry ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fandravana ny sakandalana nataon’ireo mpanao fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avokoa ireo vita fianarana tao amin’ny ENS (Ecole Normale Supérieure) Ampefiloha. Nisy ny fifandraisana teo amin’ireo mpianatra manao fitakiana sy ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ny hironana amin’ny fifampiresahana. Etsy ankilany, milaza ny mbola hanohy ny fihetsiketsehana ny mpianatry ny ENS anio, hihetsika anio ihany koa ny any amin'ny faritra.07-janv-2021 07:00
Fisolokiana: Lehilahy 20 taona nisandoka ho Lietnà-kolonely no voasambotry ny vahoaka ary natolotra ny Polisy tao Arivonimamo. Hikohizan'ny mponina tao Morafeno Atsimo mihitsy izy satria sady mamaky trano sy mampihorohoro sady mangalatra tanin'olona. Vao tsy ela akory no nisy vaky trano ary ny fantatra fa izy no tompon'antoka rehefa nampitoviana tamin'ny faladian-kirarony ilay dia hita teny an-toerana. Hiatrika famotorana famotorana avy hatrany izy.07-janv-2021 08:00
Fanolanana: Tovovavy 17 taona tratry ny fanolanana faobe sy vono tao Ankadinondry Sakay. Ny 25 desambra 2020 teo dia nirahan'ny ray aman-dreniny izy kanjo nosakanana vehivavy mpivarotena iray sy lehilahy 3 hafa namany. Novonoin'ireto farany ary rehefa tsy nahatsiaro tena dia nanao ny filan-dratsiny izy 3 lahy. Efa voasambotry ny zandary izy 4 mianadahy ary natolotra ny fampanoavana ary naiditra amponja vonji-maika. Efa nahazo fitsaboana sahaza kosa ilay vehivavy.07-janv-2021 09:00
Plan Emergence Madagascar : Hatolotra ho fantatry ny rehetra amin’ny 19 janoary 2021 Ny 19 janoary 2021 no hatolotra ho fantatry ny rehetra na ny mpamatsy vola, na ireo mpampiasa vola na ireo sehatra rehetra hiaraka hanatanteraka ny asa ny Plan Emergence Madagascar na ny PEM.07-janv-2021 10:00
RN44 : Hisy fahatapahan-dalana ny zoma 08 janoary Noho ny asa fanamboarana ny lalana eo amin'ny PK151+500 Ankazotsaravolo, amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN44) mampitohy an'Ambatondrazaka sy Moramanga, dia ho tapaka ny fifamoivoizana eo amin'io lalana io ny zoma 08 janoary 2021 amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva. Miantso ny mpampiasa lalana ny Minisiteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy mba samy hanaiky sy hanaraka ireo toromarika izay omen'ireo tompon'andraikitra eny an-toerana.