airtel

Politique

13-juil-2023

Politique

200 tapitrisa Ar no antoka Ho taraiky ireo kandida kely vovok’aina

Sample post image

Nisongadina tao anatin’ny antsipirihan’ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy noraisin’ny governemanta ny anto-bola ho an’ireo kandida Filoham-pirenena

13-juil-2023

ankoatra ny fitazonana ny datim-pifidianana ho amin’ny 09 novambra ny fihodinana voalohany, ary ny 20 desambra ny fihodinana faharoa. Niakatra avo efatra heny io anto-bola na “caution” io satria raha 50 tapitrisa Ar isaky ny kandida nanomboka ny taona 2013, dia lasa 200 tapitrisa Ar na “1 milliards fmg” izany izy ankehitriny, araka io didim-panjakana navoakan’ny governemanta io. Nambara fa ilaina amin’ny fanontana ny bileta tokana ampiasaina amin’ny fifidianana io anto-bola io. Araka ny fepetra sy ny lalàna hatrizay, dia haverina io vola anto-bola io ho an’izay kandida mahazo 10% noho miakatra amin’ny manan-kery, amin'ny voka-pifidianana ofisialy amin'ny fihodinana voalohany avoakan'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Ny Alarobia 23 Aogositra amin'ny 09 ora maraina, ka hatramin'ny Alarobia 06 septambra 2023 amin'ny 06 ora hariva no hisokatra ny fahafahana mametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho an’ireo kandida, ka eo anivon'ny mpiraki-draharahan'ny HCC no hanaovana izany. Ny sabotsy 09 Septambra 2023 fara-fahatarany no mamaritra sy mamoaka ny lisitra tena izy sy ofisialin'ny kandida milatsaka hofidiana amin'ny fifidianana Filoham-pirenena ka nahafeno ny fepetra ny HCC, ary mampahafantatra avy hatrany ny CENI izany listra izany, miaraka amin'ny sary famantarana (spécimen) an'ireo kandida tsirairay avy.
TSY FOTO-KEVITRA INTSONY FA TONTA VOLA
Somary mampiady hevitra moa io anto-bola 200 tapitrisa Ar io, izay tena vola be tsy toko tsy forohana ary mety ho karaman’ny Filoham-pirenena iray ao anatin’ny 2 na 3 taona raha ny vantan-karama. Amin’ny lafiny iray, mety tsy ho be tsy an-draofana intsony ny kandida, tonga dia voasivana aloha izany izay kandida kely vovok’aina amin’ny ara-bola. Mety ho voasivana ihany koa ireo mety ho be kajikajy, tsy manana eritreritra ny ho lany fa mitifitra lanitra mba havoazana tendrombohitra satria hivarotra vato na hanohana izay ho tafakatra fihodinana faharoa mba hahazoana toerana minisitra no tanjona. Sao sanatria hanamafy fa tsy fifidianana mandeha amin’ny foto-kevitra intsony anefa fa mandeha amin’ny tonta vola? Ho tavela ny tia tanindrazana ary hahazo laka hatrany ny mpanambola? Raha 36 ny isan’ny kandida nifaninana tamin’ny 2018, heverina fa ho latsaka ambanin’izany amin’ity fa izay manana antoka tsy ho very vola no hirisika amin’io. Heverina ihany koa anefa ny mety hisian’ny kajy politika, toy ny fanapariahana vato, ny fifanarahana ara-politika izay fanao ka mety izay kandida hotohonana amin’ny fihodinana faharoa no manonitra an’iny na tsy mahazo 10% aza ilay hanohana. Raha mandany 200 tapitrisa Ar amin’ny antoka ara-bola fotsiny, mbola tsy an-jaza ihany koa ny propagandy izay mety handaniana vola tsy toko tsy forohana, raha ny hita hatrizay. Ny fanofana angidim-by mandeha amin’ny minitra sy ora, ny t-shirt, artista, ary misy kandida mizara vola mihitsy aza,… Isan’ny namotika ny politika teto io resaka endrika ivelany mifototra amin’ny vola sy kirazarara io, hany ka tsy hevitra sy programan’asa no hifidianana Filoha ireo voatanisa eo ambony ireo. Rehefa lany avy eo, dia mamerina ny vola lany sy maka tombony aloha, fa ny fijerena vahoaka efa vita tany amin’ny propagandy? Tamin’ny 2018 ohatra, nalaza fa nampiasa 185 tapitrisa Euros ny kandida Rajoelina, nanao izay fomba rehetra nahazoany ny fandresena ka anisan’ireo fomba ireo. Mby aiza isika 5 taona aty aoriana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap