airtel

Politique

07-sept-2023

28 ireo kandida nanatitra taratasy

Iray nilaza hisintona ny firotsahany

Sample post image

Nikatona tanteraka omaly tamin’ny 6 ora hariva ny fandrotsahana ny taratasy firotsahan-kofidiana ho an’ireo kandida ho Filoham-pirenena.

07-sept-2023

28 ireo nanatitra ny antontan-taratasiny, saingy andrasana ny lisitra ofisialy havoakan’ny HCC ny 09 septambra izao hahafantarana hoe: firy marina no voatazona? Ny 11 septambra ihany dia efa handeha ny antsapaka eny amin’ny CENI momba ny filaharan’ny kandida ao anatin’ny bileta tokana. Kandida 11 no nanatitra ny firotsahan-kofidiany omaly dia: Andry Raobelina, Lalaina Ratsirahonana, Roland Ratsiraka, James Francklin Rakotomahanina, Eliace Ralaiarimanana, Claude Raharovoatra, Andry Rajoelina, Rasolofotiana Miarintsoa, Besy Andriamanoro, Monja Roindefo, Ephraim Stephanson Randrianambinina. Isan’ny nanamarika ny omaly kosa ny fanambaran-dRtoa Masy Goulamaly avy amin’ny AMM na Andraikitro ny Mampandroso an’I Madagasikara fa hisintona ny firotsahany izy. Ny firotsahan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina izay nambarany fa tsy manara-dalàna no mampihemotra azy, ary nohamafisiny ny sonia nataony niaraka tamin’ireo kandida miisa 7 hafa. Na iza na iza nanome ny taratasy dia mampiseho ny tsy fanarahan-dalàna goavana nataon’ny Filoham-pirenena, hoy izy tao amina haino aman-jery iray. “Nandrotsaka ny firotsahan-kofidiany ny filoha amin’izao. Na mahafantatra fotsiny ny faneken’ny fitantanan-draharaham-panjakana izany, dia mampametra-panontaniana hoe: nahoana no mahatonga izany? Nahoana no tsy hajaina ny lalàna? Matoa nirotsaka dia hanaraka sy ho maodely amin’ny fanarahan-dalàna. Tsy eken’ny eritreritro ny mahita zavatra fantra izao hoe: ny maodely voalohany eto amin’ny firenena no lasa manao tahaka izao, dia afaka manaraka an’izay ny rehetra. Nanasonia ny fanambarana niraisan’ny kandida miisa 8. Ny toerana misy ahy, dia tsy mpanohitra, miteny ny tsy mety hatramin’izay. Fitoviam-pijery tamin’ireo kandida no nanasoniavana satria misy lalàna eto amintsika, misy ny lalàna momba ny zom-pirenena, ny andininy faha-42 izay nororitina tamin’izay nitiavana azy, kanefa mazava hoe: rehefa nangataka zom-pirenena vahiny amin’ny fotoana maha feno taona, dia miala ho azy ny zom-pirenena Malagasy”, hoy Rtoa Masy Goulamaly. Tsy manaiky ny eritreritro ka aleoko ny ahy no hositonika, ka miandry ny fotoana hahafahantsika manara-dalàna, rehefa feno ny fepetra ao anatin’ny fanarahan-dalàna, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.

“Izay voasoratra dia voasoratra, tsy misy afaka misintona kandidatiora izany ny lalàna. Raha nahafeno ny fepetra rehetra izy dia hita any anaty bileta ny anarany sy sariny. Mahazo manao fanambarana izay te hanao, fa ny lalàna tsy mamela anao hitsoaka izany rehefa nampiditra dosie ianao. Raha tsy feno moa ny dosie-ny dia naman'ny tsy kandida ofisialy izy, fa raha feno ny dosie-ny dia any anaty bileta ny anarany”, hoy ny fanehoan-kevitr’Atoa Patrick Raharimanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap