airtel

Politique

09-janv-2023

Politique

4 taona katroka ny didin’ny HCC 7 volana sisa hitondran-dRajoelina

Sample post image

Efatra taona taona katroka omaly 8 janoary 2023 ny fanambarana sy didy tsy azo ivalozana nataon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena,

09-janv-2023

namoaka tamin’ny fomba ofisialy fa i Andry Rajoelina no lany ho Filoham-pirenena taorian’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana. Ny 19 janoary 2019 kosa no nanaovany fianinanana teny Mahamasina. Tsy maintsy miala 60 andro mialohan’ny fifidianana ny Filoha am-perinasa raha hirotsaka, izany hoe any ho any amin’ny volana septambra amin’ity taona ity satria volana novambra ny fihodinana voalohany tamin’ny taona 2018. Manana 7 volana eo ho eo izany sisa ny Filoha ankehitriny sy ny ekipany. Amin’ny herintaona tahaka izao izany tokony ho efa fantatra hoe: iza indray no Filoham-pirenena hitondra an’I Madagasikara ao anatin’ny 5 taona manaraka? Ratsy ny toerana ho an’I Andry Rajoelina, saingy mbola manao ny kajy rehetra hizatonana ny fahefana. Ny 2018 aza anefa dia efa tsy nisy ny fahamarinan-toerana politika noho ny fifidianana tsy azo antoka. Fisorohana ny krizy sy ra mandriaka no nampilefitra ny mpifanandrina tamin’izany. Nandeha ny fifidianana Filoha, isan-jato 55% tamin’ny 4,5 tapitrisa teo ho eo tonga nifidy no nandany an-dRajoelina satria 2,5 tapitrisa nahery kely teo no voalaza fa vato azy raha toa ka 2 tapitrisa mahery ny an’I Marc Ravalomanana. Mbola resabe ary nanamafy ny tsy fahamarinan-toerana politika ny raharaha “doublons” araka ny fanambarana nataon’ny Filoha Lefitry ny CENI tamin’izany Atoa Thierry Rakotonarivo ny febroary 2020 nilaza fa nahatra 1 200 000 ny karapanondro sy anarana niverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana. Hanao ahoana ny endri-pifidianana 2023? Nandeha ny fifidianana depiote, tsy dia nifanaraka an’ilay 55% ny depiote azony fa lasa 80% tany ho any, kanefa tsy nampisy fahamarinan-toerana ho an’ny volomboasary. Iny niafara tamin’ny fitsipaham-pitokisana iny ny volana desambra 2022 teo, izay midika fa efa tena miharatsy ny toeran’ny Fitondrana Rajoelina. Hatreto, mbola baraingo ny hisian’ny fifidianana. Miahiahy ny mpanohitra fa hisy ny tetika hoenti-manemotra na tsy manatanteraka fifidianana noho ny tahotra. Mbola baraingo ny hoenti-manana ara-bola, ny fanadiovana ny kianja politika ilalaovana, ny lalàna,… Raha tarafina amin’ny zava-misy, kely ny herijika mbola hahalany indray an-dRajoelina. Ireo nifidy azy diso fanantenana taminy fotsiny dia efa ampy tsy hahalany azy, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote IRD teo aloha Atoa Tody Arnaud vao tsy ela. Kely ny herijika ho an-dRajoelina, raha fifidianana madio, saingy ahiana ny fibodoana fahefana amin’ny alalan’ny amboletra sy herisetra. Hahomby ve anefa izany raha tarafina amin’ny efa fahatezeram-bahoaka ankehitriny ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap