raharaham-pirenena eto Madagasikara ity tao anatin’izany 4 taona nitondrana izay. Hizara vary masaka na “riz cantonais” no zary hitetezan’ny filoham-pirenena sy delegasioniny faritra. Amin’io efa mazava ny fanontaniana sy ny tsikeran’ny mpanara-baovao hoe izany ve no hampiasana angidim-by na “hélicoptère”? Avo firy heny amin’ny vidin’ilay zavatra zaraina anefa ny fandaniana atao amin’ilay fitaovam-pifamoivoizana sy ireo delegasionina entina mankany? Samy efa niezaka nanao ny kajikajy momba izany ny rehetra. Toy izany koa ny resaka fizarana jiro “cobra” izay hatramin’ny minisitra no midina ifotony mizara azy. Dia tsy misy fitsinjaran’andraikitra azo atao mihitsy ve mikasika izany rehetra izany? 4 taona nitondrana, iaraha-mahita io ny fahapotehan’ny lalana, na lalam-pirenena izany na lalana anaty kaominina. Dia tena sarotra ve ny namita lalam-pirenena na dia tokana monja aza tao anatin’izay 4 taona mahery izay? Hifarana ihany anefa ity ny fotoam-piasana ?
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby