airtel

Politique

13-juin-2022

Politique

Ady amin’ny kaompanian-tsolika Hampirefotra krizy be raha tsy voalamina

Sample post image

Mihalalina ary ahiana hivadika ho krizy goavana manampy trotraka ny efa misy ny olan’ny Fanjakana sy ny kaompanian-tsolika.

13-juin-2022

Efa miantraika any amin’ny Jirama, saingy mety any amin’ny famatsiana an’i Madagasikara mihitsy no olana. Efa nisy ny resaka nivoaka tamin’ny mety hangoronan’ny Galana entana tsy handraharaha eto Madagasikara noho ny trosa tsy voaloa, ary nisy tombin-tsolika efa nikatona mihitsy. Nifampidinika moa ireo mpitantana tobin-tsolika ka dia hotazonina ihany aloha, ary ezahina tsy hikatona indray io kaompania io. “Natao “réquisition” ny petroliers: Total, Jovena, Galana, Shell, izany hoe: nalaina tsy naloa vola ny solika fa noterena hanome . Efa mihoatra ny 1000 miliara Ar, tsy manaiky an'io sora-bola io ny fanjakana raha ny resaky ny minisitra omaly. Mihenjana ny tady. Mandrahona tsy hanafatra “tanker” mamatsy solika ny Nosy intsony ireo orinasan-tsolika”, hoy ny mpandinika mpaneho hevitra malaza iray. Nandany vola be nanaovana fampiasam-bola anefa ireo ka tsy ho hiditra fatiantoka ny nanaovany an'io. Etsy andaniny, efa tany amin’ny novambra 2019 no niketrika hanafatra solika mivantana ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny fananganana ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) fa ny vola moa tsy misy, tsisy mahatoky intsony koa satria efa malaza tsy mahaloa trosa. “Mety hisy “crise énergétique” izany eto raha tsy mahita marimaritra iraisana, araky ny fomba amam-panao moa mety ny karana sy ny frantsay indray izany atao tondro molotra. Fa ny tena mampalahelo dia tsy hijanona amin'ny orinasan-tsolika irery io zavatra io, tsy hisy sahy hampiasa vola intsony eto Madagasikara ary aman-taonany maro”, hoy ny fanehoan-kevitra. Ny fizahantany, indostria, fambolena mety ho lasibatra avokoa, izany hoe hiantraika amin’ny shatra reehtra. Ny CNaPS, Jirama, Air Madagascar moa io efa potika sy an-dalam-pahapotehana noho ny tantely afa-drakotra sy fitanana tsy manjary io. Ity olan'ny jirama noho ny fifanenjanan’ny Fanjakana amin’ny mpanatsy solika ity dia mampiseho sary ratsy amin’ny resaka fampiasam-bola eto. Raha ts voavaha amin’ny fifampidinihana, dia io izany no hanafaingana ny fihavian’ny krizy goavam-be eto, araka ny fanehoan-kevitra hatrany. Milaza ny Fanjakana fa vola 475 miliara tsy very tamin’ny Jirama, naneho fa mandeha ny « audit » fa tsy afaka handoa ny faktiora rehetra tonga eo ambony latabatra, nilaza fa efa any amin’ny fitsarana ny raharaha fanodinkodinana solika 46 000 litatra,… Ekena ny mety ho fahamarinan’izany, fa tokony halamina haingana io, amboarina ny kaonty satria ny vahoaka no mizaka ny ngidiny. Ny any Ambovombe, ohatra, noferana ny fampandehanana herinaratra satria tsy ampy na tsy misy ny solika. Tsy vao izao ny mpitondra no miezaka manilika any amin’io resaka io halatra sy faktiora tsy marina io ka inona no tsy hamoahana izay tena marina dia iadian-kevitra sy haravona? Tena afaka ny hiady amin’ireo kaompania sy manana vahaolana hafa na “plan B” ary ve ?
(Sary fanehoana)
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap